Tantara tamin'ny 31 Janoary 2013
Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola
Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.
Arabia Saodita: 36 Andro Tany Am-ponja Noho ny Mari-Pamantaran'ny Zon'olombelona
Nahatonga ny maro hampiasa fomba vaovao hanehoana ny tsy fankasitrahana ny famoretana mahery vaika ireo fihetsiketsehana ao Arabia Saodita. Ohatra iray efa notaterinay ny fitokonam-bahoaka tsy hihinan-kanina. Taminà andianà sioka, mpisera...
Pelaka – Vitsy An'isa Tsy Hita Maso Ao Bangladesh
Misy ireo vitsy an'isa tsy hita maso ao Bangladesh. Miaina any ambanin'ny tany izy ireo amin'ny ankapobeny ary mahalana ny fisokafan'izy ireo imasom-bahoaka. Ho an'ireo fiarahamonina pelaka, mahatonga azy ireo...
Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana
Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Jereo ny fomba fampiasan'ny Syriana ny fahaizany mamorona eo amin'ireo rindrin'i Syria.
Manatevina Ny Laharan'ny Mpitantana Ny Global Voices i Sue Gardner Avy Amin'ny Wikimedia
Faly dia faly ny Global Voices manambara fa niditra ho mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices i Sue Gardner, Tale mpanatanteraky ny Fikambanana Wikimedia