Tantara tamin'ny 03 Janoary 2013
Saka, Basy Ary Famaboana Fanànana Any Amin'ny Faritra Ambanivohitr'i Idlib
Maaret Misreen, Syria–Omar, mpianatra iray momba ny fandraharahana ara-barotra fahiny tao aminà anjerimanontolo tsy miankina ao Damaskaosy, dia miaina fiainana izay tsy azony noeritreretina velively. Avy any Idlib no fiaviany, iray amin'ireo tanàna kely any Syria, afovoan'ny tanin'oliva any avaratra-andrefana. Ankehitriny izy dia monina any amin'ny faritry ny tsipika misy ny fifampitifirana amin'ny maha-mpikatroka mafàna fo azy amin'ny media, manadihady herisetra sy manao mpitaridia ireo vahiny mpanao gazety sy ireo mpiasa mpiaro zon'olombelona manerana ny tany Siriana.
Taona Vaovao Fa Fanao Tranainy Ao Bahrain
Raha nankalaza ny taona vaovao tamin'ny alalan'ny afomanga sy fety isan-karazany ny firenena manerana izao tontolo izao, fandrahonana manokana avy amin'ny manampahefana kosa no niandry ireo mpanao fihetsiketsehana Bahrainita
Matin'ny Tifitry ny Drones Amerikana ny Mpitarika ny Taliban Maulvi Nazir
Voatifitry ny drone amerikana ny mpitarika ny antoko mitam-piadiana Taliban antsoina hoe Maulvi Nazir. Niteraka ahiahy teo amin'ny Pakistaney ny fomba handraisan'ny olom-pirenena sy ny miaramila ao Pakistan rehefa mandre izany vaovao izany.
Ny Saikanosin'i Sinai”: “Far West” Ejipsiana”?
Tamin'ny volana Aprily, nosokajian'ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu ho karazana “Far West Baribariana” ny saikanosin'i Sinai ao Ejipta, izay ampiasaina hitifirana balafomanga ao amin'ny fari-dranomasina Eilat. Araka ny filazan'i Netanyahu, ampiasain'ny mpiady...
Fihetsiketseham-Panoherana 10 Voalohany ao Shina Nalahatry ny Vaovaon'ny Tencent
Nivoaka tao amin'ny Vaovaon'ny Tencent, tranokalam-baovao shinoa an'ny orinasan'aterineto be mpanjifa indrindra ao Shina antsoina hoe Tencent, tamin'ny 30 Desambra 2012, ny fihetsiketseha-panoherana folo lehibe indrindra tao Shina tao anatin'ny roa taona.
TEDxSanaa: Mangetaheta Fanantenana Ny Ao Yemen
Na teo aza ny taona nisafotofoto niainan'i Yemen tamin'ny 2012, niasa mafy ny vondrona Yemenita iray mba hamaranana ny tana amin'ny fomba miabo. Nahavita nametraka sehatra iray, sambany ho an'i Yemen, hahafahana mamelom-panantenana ny tariky ny TEDxSanaa, dia ny hetsika TEDx ao Sanaa ny 31 Desambra teo ambanin'ny teny faneva "Mangetaheta Fanantenana."