02 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 02 Janoary 2013

Bangladesh: Ankizivavy Vazimba Teratany Iray Hafa Indray Voaolana Sy Novonoina

Nisy indray ankizivavy vazimba teratany iray novonoina rehefa avy naolana tamin'ny fomba mahatsiravina tany Bangladesh. Ilay tra-doza, Khomaching Marma (14 taona) dia mpianatra amin'ny kilasy taona faha-8. Ity fanolanana sy famonoana feno habibiana ity dia nanaparitaka indray ny hatezerana sy ny haromontana nanerana ny firenena. Nanao hetsi-panoherana koa ireo mpisera anaty aterineto.

02 Janoary 2013

Kanji-n'ny Taona 2012 ho an'i Japana

Ny Japan Kanji Aptitude Testing Foundation dia nanambara [ja] tamin'ny 12 Desambra 2012 fa ny kanji tamin'ny taona 2012 dia ny volamena (金). Ahoana no fahitàn'ireo mpisera anaty aterineto an'io fanambaràna io sy ny jeritodika nataon'izy ireo ny taona 2012?

02 Janoary 2013

Mankalaza Ny 2012 Miaraka Amin'ny Global Voices

Satria tonga tamin'ny farany ny taona, dia tianay indrindra ny haneho ny fankasitrahanay tamin'ireo asa mafy, famoronana sy fikarakaràna nataon'ny maro tato anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices. Taonan'ny firoboroboana nitalakotrokotroka sy fahombiazana ho an'ny GV ny 2012. Ireto ny sasany nisongadina

02 Janoary 2013