14 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 14 Desambra 2011

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia nahatonga hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao. Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Mizara ny zavatra niainany ao amin'ny Twitter nandritra ny fanafihana tahaka izao ireo Palestiniana.

Tanzania: Mibilaogy sy Mibitsika ny Tanzania@50

  14 Desambra 2011

Ny ampahany lehibe indrindra amin'ny taniben'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania, Tanganyika, dia feno 50 taona. Aty anaty aterineto, mankalaza izany ireo bilaogera sy mpandefa bitsika sady misaintsaina izay hoavin'i Tanzania.