Tantara tamin'ny 07 Septambra 2011
Angletera : Mankany Fanaraha-maso Ny Fampahalalam-baovao Sosialy
Noho ireo korontana sy fandrobana nisy tao Londona sy tany amin'ireo faritra hafa any Angletera tamin'iny herinandro lasa teo iny, dia nanao fanambaràna niezinezina ny Praiministra Anglisy David Cameron fa mandinika akaiky ny fomba araka ny lalàna sy ara-teknikà hanakanàna ny fibosesikin'ny fidiran'ny olona ao amin'ny Blackberry Messenger ny governemanta tarihany, eny fa na ny fidirana ao amin'ny Twitter sy Facebook koa aza mba hanakànana ny "herisetra".
Oganda: Niady Ho Fiarovana Ny Ala Mando Ireo Ogande Any Anaty Aterineto
Ny ala Mabira dia hita ao afovoan'i Oganda akaikin'i Kampala renivohitra. Iray amin'ireo ala voajanahary vitsivitsy izay sisa tavela taorian'ny taona maro nahapotika hektara maromaro. Niady nanao hetsika fanoherana ny governemanta ireo Ogande mba tsy hamarotana ny tany aminà orinasa mpamokatra siramamy.