Tantara tamin'ny 14 Aogositra 2011
Shina: Hetsika lehibe manohitra fananganana orinasa mpamokatra akora shimika any Dalian
Nivadika ho filaharambe nitety ny tanàna ny fivoriana tao afovoan-tanànan'i Dalian, faritanin'i Liaoning, ho fanoherana fananganana orinasa mpanao fanafody ny alahady maraina. Nivoaka tamin'ny heriny manontolo ny polisy, saingy mba tahaka izany ihany koa ny mpamaham-bolongana bitika.
Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana
Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hivorivory. Rakotra fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao avy amin'ny mponina ny tambajotram-piarahamonina.
Karaiba: Fanehoan-kevitra Tanàty Aterineto Mikasika Ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Tany Guyana
Rehefa nipoaka ny vaovao ny voalohandohan'ny Sabotsy fa nisy fiaramanidin'ny Caribbean Airlines nianjera tany amin'ny Seranam-piaramidina Iraisam-pirenenan'i Cheddi Jagan tany Timehri, Guyana, nipetraka ny tontolon'ny bilaogim-paritra ary nandray an-tsoratra. Tao anatin'ny tantaran'ny faha-71 taonany, nidoka tena ho manana fiarovana tsy azo kianina ny zotram-piaramanidina mandra-pitrangan'ity loza ity.
Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10
Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.
Rosia: Mitantara Ny Kolikoly Ao Amin'ny Sampam-Pampianarana Ny Asa Fanaovan-gazety Ao Mosko Ireo Mpitoraka Bilaogy
Tantarana mpitoraka bilaogy iray izay nahavita namaky bantsilana ny kolikoly ao amin'ny sampam-pampianarana ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny anjerimanontolom-panjakana ao Mosko (MGU) izy ity. Toa tsy mampino sy tsy hisy mihitsy izany, manodidina ny fanadinana fidirana ho ao amin'ilay anjerimanontolo tena matanjaka sy malaza ho tsara indrindra ao Rosia izy ity, na dia hoe mety ho izany ihany koa aza angamba no singa tena itrangan'ny kolikoly indrindra eo amin'ny rafitry ny fampianarana ambony ao amin'ny firenena.