12 Febroary 2011

Tantara tamin'ny 12 Febroary 2011

Ejipta: Ny fotoanan'ny Fandresena

Rehefa niala teo amin'ny Fitondrana an'i Ejipta i Mubarak dia nanomboka niseho iIreo horonantsary tahirin'ny vahoaka tamin'ny fampisehoana ireo fotoana manan-tantarasy ny fomba nandraisan'ireo vahoaka tao amin'ny Kianja Tahrir.

12 Febroary 2011

Ejipta: Afaka i Kareem Amer

Ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy malaza Kareem Amer, fantatra amin'ny anarana hoe Abdulkareem Nabeel Sulaiman, dia nafahana, bitsika voamarina androany ireo. Kareem, izay niaraka tamin'ilay mpamokatra sarimihetsika mahaleotena Samir Eshra, dia 'nalaina an-keriny' andian-jiolajimboto rehefa nandao ny kianjan'i Tahrir ny 7 Febroary teo, natolotra ny mpitandro filaòinana avy eo ary nalefa tany aminà fonja miaramila tany " anivon'ny tany efitra."

12 Febroary 2011

Ejipta: Mitohy ny firavoravoana noho ny fametraham-pialàn'i Mubarak

Mitohy ny firavoravoana manerana izao tontolo izao taorian'ny vaovao nilaza fa nandao ny tanàna i Hosni Mubarak. Ilay mpanao jadona, izay nifehy an'i Ejipta nandritra ny taompolo telo, ary nandà ny hametra-pialàna tao anatin'ny 18 andro nisian'ny hetsi-bahoaka tsy nitsahatra nanehoan'ireo Ejiptiana ny fangatahan-dry zareo ny hialàny amin'ny fitondràna amin'ny fomba faran'izay milamina, dia niala ihany nony farany.

12 Febroary 2011

Jordania: Miady amin'ny tetikasa fanapahana hazo ny media sosialy

Nanao filazana ny Governemanta Jordaniana mikasika ny fanamboarana sekoly ambonin'ny miaramila ao anatin'ny alan'ny Ajloun, iray amin'ireo faritra Jordaniana vitsy misy ala. Mila ny fanapahana hazo 2200 ity tetikasa ity, ao anatin'izany ireo karazana hazo efa miha-manjavona sy ireo hazo eritreretina ho efa 500 taona. Miaraka amin'izany, Maro ireo fikambanana efa mijoro sy vao natsangana mba hanakana ity tetikasa ity - izay matetika dia miasa amin'ny alalan'ny mediam-bahoaka mba hahenoana ny feony sy hanetsika ny fanohanana eo an-toerana.

12 Febroary 2011

Ejipta: “Maniry ny hialàn'i Mubarak izahay!”

Nanao lahateny fanindroany nanoloana ny vahoaka Ejipsiana ilay mpanambony tena Hosni Mubarak taorian'ny antso fanoherana sy fikatsahana ny fiafaran'ny fitondram-panjakany izay nanomboka tamin'ny valo andro lasa izay (23 jan 2011) Ny lahateniny voalohany dia nianjera tany aminy, ary vao maika nitarika hatezerana bebe kokoa avy amin'ireo vahoaka izay maniry ny hialany izany, rehefa nitondra ny firenen'izy ireo nandritra ny 30 taona izy. Ary ny lahateniny faharoa dia tsy nahafa-po ihany koa. Androany, dia nilaza tamin'ny vahoaka Ejipsianina izy fa tsy hilatsaka ho anisan'ireo hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana Novambra, izay nampamory ireo vahoaka tsy manam-paharetana tao Tahrir Square sy ny maro hafa koa.

12 Febroary 2011