Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2014

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Janoary, 2014

22 Janoary 2014

Nilaza Ny Filoha Fa Misy Miaramila Ongadey Maty An'Ady Ao Sodàna Atsimo

Nanamafy ny filohan'i Ogandà, Yoweri Museveni fa mitolona miaraka amin'ireo tafiky ny filohan'i Sodàna Atsimo Salva Kiir ireo tafika Ogandey eo amin'ny ady ifanaovan'ny governemanta sy ny vondrona mpikomy amin'izao fotoana izao,

Notsikilovin'i Aostralia i Timor-Leste Mba Hahazoany Tombontsoa Ara-toekarena

Tahaka ny tia mitsikilo ireo namany sy ireo manodidina azy i Aostralia. Taorian'i Indonezia, anjaran'i Timor Atsinanana indray no nitsikera an'i Aostralia noho ny fitsikilovany ireo mpitondra azy.

Mpanao Gazety sy Bilaogera Mifandrafy Hevitra Momba ny Fampihorohoroana Rosiana

Akon'ny RuNet

Mihamanatona moa ny lalao Olaimpikan'i Sochi, mifandrafy hevitra momba izay ao ambadiky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ny bilaogera sasantsasany, ary ny ankamaroan'izany dia ao amin'ny faritra tena manakaiky indrindra ny hanatontosana ny lalao.

20 Janoary 2014

Taona Vaovao: Jeritodika Amin'ilay Firariantsoa Mizara Roa Tao Rosia

Akon'ny RuNet

Nanonona firariantsoa roa samihafa noho ny Taona Vaovao ny filoha : iray ho an'i Rosia any 'Extrême-Orient' , iray hafa ho an'ny ambiny sisa.

Nahazo Filoha Vaovao Ihany i Madagasikara, Saingy Mbola Manjazozavo Ny Toe-dRaharaha

Midika ve izany fa miverina mankany amin'ny lalan'ny demokrasia i Madagasikara? Ho hita eny amin'ny faravodilanitr'ilay firenena tafahitsoka ao anatin'ny tsy fitombenana hatrany sy ny fikorisana tsy mitsahatra mankany amin'ny fahantrana ihany ve ny fitomboan-karena sy ny fandriampahalemana?

19 Janoary 2014

Fahatsiarovana Ny Tolona Fanoherana Ny Fanjanahantany Nataon'ilay Mpitarika Kongoley Patrice Lumumba

Ilay mpiady ho amin'ny fahafahana Patrice Émery Lumumba no praiminisitra voafidy tamin'ny fomba demokratika voalohany tao amin'i Repoblika Demokratikan'i Kongo. Novonoina izy 53 taona lasa izay.

Manainga Indray Ny Adihevitra Momba Ny Tsy Fandriampahalemana Ny Famonoana An'ilay Venezoeliana Mpanjakavavin'ny Hatsaran-tarehy Fahiny

Nisy nanafika tanaty velam-pandrika teny an-dalambe iray tao Venezoela i Mónica Spear, mpilalao sarimihetsika sy ny vadiny taloha ary ny zanany vavikely dimy taona. Namoy ny ainy i Spear sy ilay vadiny taloha

Espaina : Sary Sy Tantara 10 Mamintina Ny Taona 2013

Lisitra tantara folo nahatonga hatezerana, hetsika ary fihomehezana mamintina ny taona 2013 tany Espaina.

18 Janoary 2014

Yemenita Mpikatroka Mafàna Fo Mahazo Fandrahonana Ho Faty Ao Amin'ny Facebook

Nahazo fandrahonana ho faty tao amin'ny boaty famelàna hafatra ho azy tao amin'ny Facebook i Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo ara-politika manana ny lazany no sady mpanao gazety ihany koa. Ilay fandrahonana, nataon'olona tsy fantatra, dia nampitandrina an'i Al-Junid fa hoe efa akaiky ny "fara-androny".

Ejipta: Sampam-pitsikilovan'ny Marionety

Tao Ejipta, voampanga ho nandefa hafatra miafina hoan'ireo mpampihorohoro ny marionety mitovy endrika amin'ny olo-malaza iray. Manazava ny antony mahatonga ilay saribakoly hiakatra fitsarana i Amr Tarek.