Nahazo Filoha Vaovao Ihany i Madagasikara, Saingy Mbola Manjazozavo Ny Toe-dRaharaha

Ofisialy ankehitriny fa i Hery Rajaonarimampianina, izay heverina fa nasolo ny Filohan'ny Tetezamita eto Madagasikara teo aloha  Andry Rajoelina, izay nanaisotra ny filoha voafidy tamin'ny fomba demokratika farany tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana notohanan'ny miaramila tamin'ny 2009, no nambaran'ny Fitsarana Manokana Momba ny Fifidianana teto Madagasikara (CES) ho mpandresy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena efa nandrasana hatry ny ela.

Notsipahan'ny CES ny filazana fa nisy ny fangalaram-bato sy ny fitakiana hanisana indray ny vato nataon'ilay kandidà hafa, Jean-Louis Robinson. Niatrika ny fihodinana faharoa ny roa tonta tamin'ny Desambra 2013 rehefa samy tsy nahazo ny maro an'isa mazava tamin'ny fifidianana voalohany tamin'ny oktobra. Nahazo ny 53,49 isanjaton'ny vato tamin'ny fihodinana faharoa Rajaonarimampianina, raha 46,51 isanjato kosa ny an'i Robinson.

Midika ve izany fa miverina mankany amin'ny lalan'ny demokrasia i Madagasikara? Ho hita eny amin'ny faravodilanitr'ilay firenena tafahitsoka ao anatin'ny tsy fitombenana hatrany sy ny fikorisana tsy mitsahatra mankany amin'ny fahantrana ihany ve ny fitomboan-karena sy ny fandriampahalemana?

Ny kajy tsotra dia manondro fa zara raha voafidy tamin'ny 25 isanjaton'ny mpifidy voasoratra anarana monja Rajaonarimampianina raha alaina ny tarehimarika nalahatry ny Madagascar Tribune [fr]: 

Inscrits : 7 971 790 
Votants : 4 043 246 
Blancs et nuls : 171 790 
Suffrages exprimés : 3 851 460 
Taux de participation : 50,72% 
Rajaonarimampianina Rakoatoarimanana Hery Martial : 2 060 124 (53,49%) 
Robinson Richard Jean Louis : 1 790 336 (46,51%)

Voasoratra anarana: 7.971.790 

Mpifidy: 4.043.246

Vato tsy manankery: 171.790

Manankery: 3.851.460

Taham-pandraisana anjara : 50,72%

Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial: 2.060.124 (53,49%) 

Robinson Richard Jean Louis: 1.790.336 (46,51%)

Screen shot of Hery Rajaonarimampianina during the presidential debate - Public Domain

Pikantsarin'i Hery Rajaonarimampianina nandritra ny adi-hevitr'ireo kandida ho filoha amin'ny alalan'ny televizionam-panjakana Malagasy – Valam-bahoaka

Ankoatra io teboka io anefa, mpitranga eto Madagasikara ny fandrombaham-pahefana na tamin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe na/sy tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila, ary in-dimy izany hatramin'ny 1972, miaraka tamin'ny farany indrindra tamin'ny 2009.

Marina sy nalalaka tokoa ve ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara? Hitondra ho any amin'ny vanim-potoanan'ny fahavokarana sy ny fandriampahelamana eto amin'ny firenena ve izy ireny?

Efa-taona no niandrasan'ny maro tato amin'ny firenena sy ny sehatra iraisampirenena ny fifidianana. Raha nisy ny fandikan-dalàna nandritra ny androm-pifidianana, araka ny voahangon'ny mpanaramaso ny fifidianana natsangan'olo-tsotra azy ao amin'ny Andrimaso sy ny Zahavato, dia tsy ampy hanafoanana ny fifidianana ny hamaroany.

Saingy, misimisy ihany ny zava-mitranga sasantsasany mampiahiahy indrindra fa talohan'ny fotoanan'ny fifidianana. Voalohany amin'izy ireny nanesorana tsy hifidianana ny filoha nesorina Marc Ravalomanana, ny vadiny Lalao Ravalomanana, ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ary ilay nanao ny fanonganam-panjakana Andry Rajoelina.

Ao amin'izay zava-nitranga ho arahina amin'ny fifidianana manaraka, ny nanakanana tsy hampifaninana an'i Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana, noho ny fepetran'ny faharetan'ny fonenana teto an-tanindrazana, rehefa nialokaloka tany Frantsa sy Afrika Atsimo ho azy ireo, sy voasakana tsy hody an-tanindrazana. Tsy hita ao amin'izany veilively ny mariky ny fahaterahan'ny demokrasia.

Nametraka ny firotsahany hofidiana tamin'ny fotoana farany i Andry Rajoelina, ary dia voasakana tsy hahazo hifaninana ihany koa. Nametraka izao fanazavana manaraka izao ny ONG Verified Voting:

The court said neither Ravalomanana nor Ratsiraka met the physical residence requirements for candidacy. Ravalomanana lives in exile in South Africa, while Ratsiraka has not lived permanently on the island since fleeing to France in 2002.

The court said Rajoelina did not register his candidacy during the statutory period. Rajoelina said in January that he would not run in this year's elections, but then registered his candidacy in May. He said he had decided to run because Lalao Ravalomanana's candidacy was the same as having her husband stand.

The Southern African Development Community, a regional bloc of 15 countries, had recommended that neither Ravalomanana nor Rajoelina run as a way of resolving Madagascar's political troubles. The island of 20 million people has been in political turmoil since Rajoelina, a former DJ, seized power in 2009.

Ravalomanana agreed in December not to run. Five other candidates were also dropped from the list, the court said.

Nilaza ny fitsarana fa tsy nahafeno ny fepetra nonenana ara-batana hirotsahany ho filoha na Ravalomanana na Ratsiraka. Niaina an-tsesintany tany Afrika Atsimo Ravalomanana, raha mbola tsy nonina naharitra teto amin'ny nosy hatramin'ny nandosirany ho any Frantsa tamin'ny 2002 Ratsiraka.

Nilaza ny fitsarana fa tsy nandrotsaka ny firotsahany ho kandida tao anatin'ny fotoana voatondro Rajoelina. Nilaza Rajoelina fa tsy hifaninana amin'ny fifidianana amin'ity taona ity,saingy nametraka ny firotsahany indray tamin'ny Mey. Nilaza izy fa nanapa-kevitra ny hirotsaka satria mitovy amin'ny hoe firotsahan'ny vadiny ihany ny firotsahan'i Lalao Ravalomanana.

Nibaiko ny SADC, vondrom-paritra ahitana firenena 15, fa tsy mirotsaka na Ravalomanana na Rajoelina ho lalana iray famahana ny olan'ny saritaka politika eto Madagasikara. Tao anatin'ny savorovoro politika ilay nosin'ny mponina 20 tapitrisa hatramin'ny nandrombahan-dRajoelina ny fahefana tamin'ny2009.

Nanaiky ny tsy hirotsaka Ravalomanana tamin'ny desambra. Nesorina tao anatin'ny lisitra ihany koa ny kandida dimy hafa, araka ny filazan'ny fitsarana.

Faharoa, tamin'ny Novambra, nisy lalàna nolaniana mamela an'i Andry Rajoelina hanentana ho an'i Hery Rajaonarimampianina, na teo aza ny adidy ho an'ny filoha teo aloha, na voafidy ara-pomba demokratika na tsia, tsy hitongilana sy tsy hirotsaka an-tsehatra. Niahiahy ny bilaogera Malagasy iray ao amin'ny bilaogy iraisana Madonline fa suspected Rajoelina also had a nifantina ny kandidà ho amin'ny fifidianana parlemantera [fr] izay niara-notontosaina tamin'ny fifidianana ho filoha ihany koa Rajoelina:

Il est le candidat virtuel et omnipotent de ces élections malgaches, car son ombre plane à la fois sur la présidentielle et les législatives. Il, c’est évidement Andry Rajoelina qui a revendiqué la paternité du candidat Hery Rajaonarimampianina pour être tête d’affiche au second tour avant d’enfanter 117 candidats à la députation. Non, il ne viole plus la loi puisqu’il l’a changé une énième fois en sa faveur. C’est par un décret pris en conseil des ministres que Andry Rajoelina a décidé qu’il peut s’afficher physiquement et sur les supports de communication des candidats. En tant que premier chef d’institution, il se libère du devoir de neutralité et de réserve préconisé par la Feuille de route. 

Izy no kandidà virtoaly sy manana ny heriny manontolo ao amin'ity fifidianana ity, satria mihalohalo na eo amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena na eo amin'ny fifidianana ho solombavambahoaka hatrany ny alony. Izy, dia i Andry Rajoelina mazava loatra no nanambara fa izy no nandrotsaka ny kandidà Hery Rajaonarimampianina mba ho lohalaharana amin'ny fihodinana faharoa mialoha ny hiterahany [hamoahany] ny kandidà 117 ho amin'ny solombavambahoaka. Tsia, tsy nandika lalàna izy satria nanovaova hatrany izany ho amin'ny tombontsoany. Amin'ny alalan'ny didy hitsivolana raisina mandritra ny filankevitry ny minisitra i Andry Rajoelina no nanapa-kevitra fa afa-manatrika mivantana sy eny amin'ny fitaovam-pifandraisan'ny kandidà. Amin'ny mahafilohan'Andrimpanjakana azy, dia nanafaka ny tenany tsy hitandro ny tsy fitongilanana izy sy ny tokony hipetrahany mangina araka ny voalazan'ny Tondrozotra

Fahatelo, misy ny marika sasantsasany fa mety mikasa ny hametraka ny tenany ho praiminisitra [fr] araka ny fanaon'i Vladimir Putin nandritra ny fitondran'i Medvedev [i] Rajoelina, mety ho lasa aloha loatra ny filazana fa niverina ho amin'ny lalana mankany amin'ny demokrasia i Madagasikara, araka ny fanazavan'i Tsimok'i Gasikara azy:

 Le camp du président de transition non élu Andry Rajoelina, en passe de remporter la présidentielle à Madagascar, a estimé samedi avoir une majorité suffisante pour désigner le prochain Premier ministre, au lendemain des résultats provisoires des législatives.”Selon notre estimation, nous avons 53 députés mais ce chiffre peut remonter jusqu?à 58 après vérification”, a indiqué à l?AFP Jean de Dieu Maharante, le président du groupe de candidats qui se présentaient sous les couleurs de Mapar, acronyme signifiant en français “avec le président Andry Rajoelina”.

Ny tobin'ny filohan'ny tetezamita tsy voafidy Andry Rajoelina, izay hita fa hahazo ny filoham-pirenena eto Madagasikara, dia nanombana tamin'ny asabotsy, ny ampitson'ny fivoahan'ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana ho solombavambahoaka, fa mahazo ny maro an'isa ampy hanondroana ny praiminisitra manaraka. “Araka ny fanombananay, dia nahatafiditra depiote 53 izahay, saingy mety hahatratra hatrmin'ny 58 izany isa izany aorian'ny fanamarinana”, hoy i Jean de Dieu Maharante tamin'ny AFP. Maharante no filohan'ny vondrona kandidà mialokaloka ao anatin'ny loko Mapar, Mapar izay fanalavana ny hoe “Miaraka amin'ny Prezida Andry Rajoelina”.

Screen caption of Hery Rajaonarimampianina and Andry Rajoelina during the presidential campaign via Mandimby Maharo with permission

Pikantsary ahitana an'i Hery Rajaonarimampianina sy i Andry Rajoelina nandritra ny fanentanana hampifidy filohampirenena. Avy amin'i Mandimby Maharo nahazoana alalana

Nandritra ny fifidianana, maro ny zavatra tsy mifanaraka amin'ny fahamendrehana nitranga. Ny voalohany amin'izany ny fisian'ny mpifidy 140.000 fanampiny ao anatin'ny lisitra tanelanelan'ny fihodinana voalohany sy faharoa izay tsy voazava. Iza no mahalala hoe firy ny mpifidy nesoka tsy navela hanatontosa ny zony hifidy? 

Zavamisy hafa tsy voazava sady manaitra ihany koa ny tsy fahafantarana ny niavian'ny vola nampiasaina hanaovana propagandy. Niraradraraka avy amin'ny andaniny sy ny ankilany avy ny vola nandritra ny fanentanana [fanazavan'ny mpandika lahatsoratra: fampielezan-kevitra moa no fiteny mahazatra saingy izany tokoa ve no naely?]. Tsy mipetraka ny lalàna famerana ny tetibolam-panentanana. Mba hanaovana ny fampitahana, tsara ny manamarika fa mihoatra ny 90 isanjaton'ny mponina eto Madagasikara no zara fa velomin'ny vola latsaky ny roa dolara US isan'andro. Na izany aza anefa, Rajaonarimampianina dia nisy nitatitra fa nandany vola 43 tapitrisa dolara US [fr]:

Enfin, grâce à son trésor de guerre de quelque 43 millions de dollars, considéré comme le budget de campagne le plus élevé, le candidat a réussi à installer ses relais à travers l’ensemble de l’île.

Noho ny fananany tahirimbola enti-miady mitentina 43 tapitrisa US dolara, izay heverina ho ny tetibolam-panentanana ho amin'ny fifidianana lehibe indrindra, dia afa-nametraka ny solontenany nanerana ny nosy manontolo izy.

Malaza ihany koa, kandidà iray hafa tsy nahazo fahombiazana, Camille Vital, dia nahita ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana 350 azony tafahitsoka tao amin'ny seranan'i Toamasina. Taorian'ny fifidianana i Vital izay praiminisitr'i Rajoelina teo aloha, izay nanohana an'i Robinson nandritra ny fihodinana faharoa, dia tsy navela handao an'i Madagasikara. Izany fanohintohinana hafa izany indray dia marika fa mety ho tsy feno ny fahatongavan'ny demokrasia eto Madagasikara [fr], araka ny Malango actualité: 

Fin septembre, 350 véhicules 4×4 sont bloqués dans le port de Toamasina (Tamatave) ainsi qu'un cargo contenant plusieurs centaines de milliers de t-shirts à son effigie. Les documents fournis éveillent la méfiance des douanes qui demandent des explications. Selon le candidat, il s'agit d'un « un don non remboursable et sans contrepartie » fait par un « ami » étranger convaincu de son programme fondé sur le rétablissement rapide de la sécurité dans le pays.

Tamin'ny faran'ny volana Septambra, fiara tsy mataho-dalana 350 no nahitsoka tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, sy t-shirt misy ny sariny an-hetsiny. Ny antonta-taratasy natolotra no nanaitra ny ahiahin'ny fadin-tseranana izay nitaky fanazavana. Araka ny filazan'ilay kandidà, dia fanomezana tsy averina sy tsy misy takalony avy amin'ny namana vahiny iray resy lahatra tamin'ny fandaharan'asany miompana amin'ny famerenana haingana ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena io.

Maro ny famantarana fa sempotry ny fahalavan'ny krizy ny olona. Hoy ny tatitra ao amin'ny All Africa:

People might also be tired of interminable political disputes. Some indication of this, and of people's disillusionment with their current leadership, is the low voter turnout during the December elections, which was just over 50%.

Paul-Simon Handy, Head of the ISS Conflict Prevention and Risk Analysis Division, says the low voter turnout in the second round is reminiscent of other post-crisis countries where the electorate is exhausted by protracted political disputes.

‘As much as people want a legitimate government, they've simply had enough of political disputes and they see that what is on offer in terms of candidates as the recycling of the same political elite.’ 

Mety ho leon'ny fifandirana politika tsy mety tapitra ihany koa ny olona. Marika sasantsasany amin'izany, sy fahadisoam-panantenan'ny olona amin'ny fitondrana ankehitriny, ny fahambanian'ny taham-pandraisana anjaran'ny fifidianana tamin'ny volana desambra, izay zara raha nihoatra ny 50%.

Nilaza i Paul-Simon Handy, Lehiben'ny Diviziona Mpanadihady ny Risika sy ny Fisorohana ny Fifandirana ao amin'ny ISS, fa fampahatsiahivan'ny vokatry ny krizy hafa eto amin'ny firenena leon'ny gidragidra politika ny fahambanian'ny taham-pandraisana anjara tamin'ny fihodinana faharoa.

‘Na dia tian'ny tian'ny vahoaka aza ny hisian'ny governemanta ara-dalàna, dia leon'ny fifandirana politika tsotra izao ry zareo ary hitan-dry zareo fa fampifandimbiasana ireo avy amin'ny vato nasondrotry ny tany ara-politika efa nisy ihany atolotra ho kandidà.’  

Andro iray monja taoria'ny nanambarana ny fandresen'i Rajaonarimampianina dia nianto ho amin'ny fihetsiketseham-panoherana sahady i Robinson:

Miantso ho amin'ny fanaovana fihetsiketsehana lehibe ao amin'ny kianjan'i Magro @DrRobinsonJL rahampitso ! ary mitaky ny hanaovana fampitahana ny voka-pifidianana.

Mitodika any amin'i Rajaonarimampianina ny mason'ny rehetra hijery raha sy ahoana ny ataony hanatontosany ny nampanantenainy nandritra ny fanentanana hamerina ny fitoerana tsara sy hiarahany miasa amin'ny vahoaka hanesorana an'i Madagasikara hiala amin'ny fahantrana. Tompon'ny tenany ve Rajaonarimampianina, ary afa-mijoro amin'ny heviny manokana, na dia eo aza ny fahitana azy ho akaiky an-dRajoelina? Mendrika governemanta sy filoha mahafantatra fa voafidin'ny 25 isanjaton'ny nisoratra hifidy monja ny vahoaka Malagasy izay midika fa mila miasa miaraka amin'ny vondrona hafa izy, mampihavana ny vahoaka Malagasy rehetra, ary tsy hiditra amin'ny tranga nataon'i Putin. 

1 hevitra

  • dadazaka

    Raha mandinika ny tantara dia voalohany Madagasikara manana filoha teknisianina.
    Fa ny olana dia teknisianina voafatotry ny dahalo ambony latabatra izy satria niara-petsapetsa tao na opérateurs économiques gasy sy vazà io na mpitondra fanjakana (Affaires bois de rose, BNI, gabegie nandritry ny transition, etc..), voafatotry Rajoelina sy ny Miaramila niaro ny transition … est-ce un homme libre??
    Manarak’izany, raha mamaky tsotsotra ny sari-tany nahalany azy, kely ny finoana fa filoha tsy nolanian’Antananarivo dia aharitra ela eo.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.