Notsikilovin'i Aostralia i Timor-Leste Mba Hahazoany Tombontsoa Ara-toekarena

Protest at Australian embassy in Dili, Timor-Leste. Photo from website of etan.org

 

Voampanga ho nitsikilo ireo mpitondra any Timor Atsinanana i Aostralia tamin'ny 2004, rehefa nifampiraharaha momba ny fifanarahana fifampivarotana entona ny firenena roa tonta. Taorian'ny nahafantarana ilay fitsikilovana, nikasa ny hanafoana ny fifanarahana izay nosoniaviny niaraka tamin'i Aostralia ny governemantan'i Timor Atsinanana.

Nihenjana ny raharaha ny herinandro voalohany tamin'ny volana Desambra 2013 teo rehefa nanao bemidina tany amin'ny biraon'ny Canberra, an'ny mpisolovava izay misolo tena an'i Timor Atsinanana momba io tranga fitsikilovana io, ny Birao Mpanangom-baovao Momba ny Fiarovana ao Aostralia. Mitaky ny hamerenana ireo antontan-taratasy avy tao amin'ny biraon'ilay mpisolovava nalain'ireo mpiasa ao amin'ny governemanta i Timor Atsinanana amin'izao fotoana izao.

Nitsikera an'i Aostralia mikasika ireo fiampangana fitsikilovana i José Ramos-Hort, filoha taloha tao Timor Atsinanana, :

Rehefa andramanao ny mihaino ireo fifanakalozan-dresaka amin'ny finday ataon'ny filohan'i Indonezia, firenena iray namana, na ny vadiny, na rehefa mitsikilo ny namana akaiky tahaka an'i Timor-Leste izay nampian'i Aostralia ho afaka tamin'ny taona 1999 sady nolazain'i Aostralia ho tena namana, dia tena mandrodana fifandraisana naharitra 10 taona izany…

Tia mananatranatra an'i Timor-Leste sy ireo firenena hafa momba ny mangarahara sy ny firaisankina eo amin'ny fiainana ara-piarahamonina i Aostralia. Raha ny marina, tsy ohatra tsara eo amin'ny mangarahara sy ny fahamatorana akory izany.

Nampitamberina tamin'ny tatitra mikasika ireo vaovao momba ireo asa fitsikilovan'i Aostralia any Indonezia izay niteraka fifandirana ara-diplomasia teo amin'ireo firenena roa tonta, i Horta.

Nanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny masoivohon'i Aostralia tany Dilli ireo vahoakan'i Timor Atsinanana, mikasika ilay raharahanà fitsikilovana. Nisy iray tamin'ireo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nanondro ny “Australia Aid” ho fanarontsaronana ireo asa fitsikilovana ataon'ny governemanta Aostraliana:

Ny olana dia mangalatra ny solitaninay izy ireo ary mivarotra izany any amin'ireo toerana hafa mba hividinana karazanà fitaovana hoentina ao Timor Atsinanana amin'ny alalan'ny Famatsian'ny AusAid. Vokatr'izany rehetra izany ny hariva teo, dia te-hisarika ny mason'ny vondrom-piarahamonina ao Timor sy ny fikambanana iraisam-pirenena aho mba ho mailo tsara manoloana ireo olona avy ao amin'ny AusAID. Mpitsikilo ny AusAid.

 Nandritra io fotoana io, nangataka an'i Aostralia mba “hanajanona ny halatra sy ny fakàna an-keriny ny Ranomasin'i Timor” ny Hetsika Manohitra ny Fakàna An-keriny ny Ranomasin'i Timor:

Nandritra ny taona maro, nangalarin'i Aostralia ny solitany sy ny entona tao amin'ny Ranomasin'i Timor, ao anaty faritra izay fananan'i Timor-Leste noho ireo fepetra araka ny lalàna iraisam-pirenena. Mampalahelo anefa fa nasehon'i Aostralia ny fombany sy ny fahalinany hanao ny firenena kely sady mahantranay eto amin'ity faritra ity ho very harena sy fiandrianampirenena.

Atsaharo ny fangalarana sy fakàna ny Ranomasin'i Timor, saingy asehoy ny finiavana tsaranareo amin'ny maha-firenena lehibe anareo izay manaraka ireo fitsipika ara-demokratika mba hanekena ny fari-dranomasina mifanaraka amin'ireo foto_kevitry ny lalàna iraisam-pirenena.

Manome toe-draharaha ambadika manoloana ilay fifanarahana tsy mitovy tàntana eo amin'ny fifampivarotana entona ifanaovan'i Aostralia sy Timor Atsinanana ny Hetsi-panentanana “Timor Sea Justice”.

Maniry hanana fari-dranomasina ary hambara ara-dalàna fa tompon'izany i Timor atsinanana amin'ny maha-firenena masimandidy azy. Indrisy, misakana ankitsirano ny hametraka fari-dranomasina iarahany amin'i Timor Atsinanana ny Governemanta Aostraliana, mifanaraka ny lalàna iraisam-pirenena manankery.

Niteraka andianà fifanarahana vonjimaika mikasika ny fizarana ireo harena izay nanova tanaty fotoana fohy ny tataonketra ara-panjakana azo avy amin'ireo solitany sy entona misy ao amin'ny Ranomasin'i Timor ho dolara an-davitrisany ny fipetrak'ireo fifanarahana tsy nitovy tàntana ireo.

Voarakitra ao amin'ny Twitter ireo fihetsiketsehana tao Dilli:

Hetsika teo amin'ny masoivoho androany momba ny fitsikilovan'i #australia ny fifanarahana fifampivarotana solitany ao amin'ny Ranomasin'i #timor. pic.twitter.com/E9detfFcTZ

- Tempo Semanal (@ TempoSemanal) 6 Desambra 2013

Hetsika am-pilaminana teo ivelan'ny Masoivoho Aostraliana #Dili #timorleste androany. mihiaka izy ireo fa mila mianatra ny demokrasian'i TL i Canberra  pic.twitter.com/AnUWFTVc6Q

— Tempo Semanal (@TempoSemanal) 6 Desambra 2013

“Mila fizarana mitovy izahay” – mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitsikilovan'i #Australia ny resaka amin'ny findain'ny governemantan'i #Timor nandritra ireo tafatafa mikasika ny fari-dranomasina. pic.twitter.com/EtGxODG8AE

— Tempo Semanal (@TempoSemanal) 6 Desambra 2013

Tantara fohy tena tsara mikasika ny fahalianan'i Aostralia haka ny solitanin'i Timor Atsinanana http://t.co/DxygjbvOwz #auspol #TimorLeste pic.twitter.com/cVGqVdFOER

— Stan Steam (@StanSteam2) 5 Desambra 2013

Nikajy ny vola ‘nangalarin'i Aostralia’ tao Timor Atsinanana i La'o Hamutuk:

How much money has Australia taken from Timor-Leste? Our very conservative calculations show that Australia received more than two billion U.S. dollars in government revenues from Laminaria-Corallina through the end of 2012, and the actual figure is significantly higher.

Vola ohatrinona no lasan'i Aostralia tao Timor-Leste? Mampiseho ny kajy voafetra nataonay fa maherin'ny roa lavitrisa dolara Amerikana amin'ny vola miditra amin'ny governemantan'i Laminaria-Corallina manodidina ny faran'ny taona 2012 no vola azon'i Aostralia, ary mbola mihoatra lavitra noho io ny isa tena marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.