Fanadihadiana ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina

Notaritin’ny ivo-toerana Repoblikana iraisam-pirenenana ny fanadihadiana mikasika ny hevitry ny vahoaka Kambodjianina tamin’ny Octobra – Novambra 2008. Tafiditra tao anatin’ny fanadihadiana ny dinidinika imaso imaso nentin’ny Ivo-toerana ho an’ny Fianarana Ambony tao Phnom Penh izay nahitana tsongan’olona Kambodjianina miisa 2000. Tsy nahazo nanatrika ny fanadihadiana ny mpitondra teny avy amina ivo-toerana sasany, toy ny toeram-pivarotran-gazety na ny birao masoivohon’ny governemanta.

Nandefa singa ifaharana avy tamin’ny fanadihadiana i Socheata Vong

Mandroso mankany amin’ny lalana mazava/ratsy ve ny firenena?
*82%n’ny Kambodjianina no mahita fa mizotra mankany amin’ny lalana tsara ny firenen’izy ireo, satria amin’ny ankabobeny dia noho ny rafi-pifandraisana hitan’izy ireo izay efa nisy fahavitana, ao anatin’izany ny lalana, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, tafon’ny tempoly Budista sns…
*17% no mahita fa mizotra any amin’ny lalana tsy izy ny firenena, raha tanisaina fotsiny ny fisian’ny tsolotra, ny vidin’entana, ny fahantrana izay hita fa sakana goavana eo amin’ny ho avin’ny firenena.

Inona avy ireo olana sy ahiahy eritreretinao ka mihatra amin’ny Kambodja amin’ny maha firenena azy?
*Milaza ny 59%n’ny Kambodjianina fa olana lehibe ao aorian’ny vidin-entana ny resaka sisitany sy ny fametrahana izany. (raha ampitahaina ny tamin’ny Aogostra 2007, dia 5% fotsiny no nilaza ny olana ara-tsisitany – Mahakaska indrindra ny sisitanin’I Vietnama izany).

Iza amin’ireto no mitondra fifandraisana amin’ny fiainanareo andavan’andro?
*Ny sefom-pokotany (41%), ny Praiministra (28%), mpanolotsainan’ny firaisana (14%), Antenimieram-pirenena (solombavam-bahoaka) (5%)

Asehon’ny CAAI News Media ny fononon’i Phnom Penh Postmahakasika ny fanadihadiana, izay mampisongaidina ny anjara andraikitr’ireo sefom-pokontany.

Hitan’ny [fanadihadiana] tsara fa ny 85%n’ny mpamaly fanontaniana dia mitaky ny fifidianana ny sefom-pokotany tian’izy ireo apetraka fa tsy hoe akory hanaiky foana izay tendren’ny governemanta . Ary mampiseho ihany koa ny fanadiahadiana hoe fa maninona no azo eritreretina fa govana izany: ny roa ampaha-dimin’ny mpamaly fanontaniana dia milaza fa ny sefom-pokotany no olona iray tena akaikin’ny fiainan’izy ireo indrindra.

Avy amin’io lahatsoratr’I Phonom Penh Post io ihany, dia milaza I Ou Virak, filohan’ny Civo-toerana Kambodjianina miaro ny Zon’Olombelona fa,

maro ireo filoham-pokontany manerana ny firenena no mitondra fanerena eo amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fiainana ao an-toerana. [Ny olan’I Virak] izay tiany resahina dia mety hametraka ny fahafahana maneho hevitra ho tafiditra anatin’ny loza ny fifandraisana toy izany. “Mieritreritra aho fa na dia miroso mankany amin’ny lalana mazava aza I Kambodja, dia tsy midika akory izany fa mety ny ataon’ny governemanta eny rehetra eny” hoy izy. “Ny fisian’ny sefom-pokontany dia midika hoe afaka mitondra ny andraikiny izy ireo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona na amin’ny fananararaotana azy ireo.”


Share This Share this article

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.