Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana tamin'ny Desambra, 2014
Mampidi-doza Tsotra Izao Ny fanapahan-Dàlana Fahatàny Ao Bangladesh
Matetika ny olona ao Bangladesh no miampita amin'ireo arabe be mpifamoivoy ka mitsofotsofoka eny anelanelan'ny fiara eny, raha tokony hampiasa ireo toerana natao hiampitàny. Sady loza mitatao ho an'ny daholobe ilay fitondrantena no olana ho an'ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa
Sisan-taolana Voamarin'ireo Manampahaizana Mpikirakira Faty Ho An'ny Iray Tamin'ireo Mpianatra Nanjavona Tao Ayotzinapa
Voamarin'ireo manmapahaizana mpikirakira faty fa an'i Alexander Mora Venancio, 21 taona, iray amin'ireo 43 nanjavona, ireo sisan-taolana hita tany anaty fanariam-pako tao an-tanànan'i Cocula.
Mpanao Lalàna Tratra Mijery Vetaveta, Milalao Ary Matory Am-perinasa, Zavatra Iray Fahita Ao Azia Atsimo Atsinanana
Politisiana marobe manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana no tratra mijery lahatsary vetaveta, matory, sy milalao amin'ny ipad-ndry zareo mandritry ny fotoam-pivorian'ny Kaongresy.
Nakaton'ny Filoha Goyaney Ny Antenimiera Mba Hisorohana Ny Latsabato Fitsipaham-pitokisana
Nohalavain'ny filoha Donald Ramotar enim-bolana ny tsy fiasàn'ny antenimiera, izay manamafy indray ny olana ara-politika ao Goyana.