· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2013

Tiorkia: Fifandimbiasam-baovao Ara-tsosialy Mikasika Ny Fibodoana An'i Gezi

Ny 10 Aprily 2013, tenifototra iray tao amin'ny tontolon'ny bitsika no nanambara ny #ayagakalk (izay hadika hoe "mitsangàna"). Antso avy aminà vondrona kelin'ireo mahery fò izay miezaka miaro ny kianja Gezi ao Taksim, manohitra ireo drafitra fanorenana tranombarotra goavana- eo amin'ilay faritra. Tsy nisy nihevitra io trangan-javatra kely io hivadika ho fanoherana goavana tao anatin'ny tantara repoblikanan'ny firenena.

Pôrto Rikô : Miroborobo Ny Tetikasa Tsy Miankina Firaisankina Ara-Ekolojika

  08 Jona 2013

Miha-mafy orina isan'andro ny firaisankina hiaro tontolo iainana any Portô Rikô, noho ireo olona miasa mafy mba hampivoarana ny tetikasa tsy miankina. Ireto misy ohatra vitsivitsy hanamafisana indray hoe ny tanjona ho fiarovana ny zava-boahary, ny fambolena vokatra tsy misy poizina ary ny ady amin'ny faharetan'ny fambolena dia tsy nofy tsy ho to akory.