Hotohizan'ilay Malayziana Mpanao Sariitatra ny Ady amin'ny Fihoara-pahefana na dia Voampanga ho Mpampisara-Bazana aza izy

From the Facebook page of Zunar Kartunis

Avy amin'ny pejy Facebook-n'i Zunar Kartunis

Miatrika vesa-piampangana maro ilay Malayziana iray mpanao sariitatra ary nianiana ny hampiasa hatrany ny peniny hitsikerana ny kolikolin'ny governemanta, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ary ny fihoaram-pahefana.

Zulkiflee Sm Anwar Ulhaque, malaza kokoa amin'ny anarana Zunar ao Malaysia, dia mpanao sariitatra ara-politika izay efa indroa nosamborina noho ny filazana ho fanitsakitsahana ny lalàna fampisaraham-bazana, lalàna efa tamin'ny andron'ny fanjanahantany. Zunar, izay nosamborina tamin'ny fiandohan'ity volana ity, dia voampanga ho in-tsivy nampisara-bazana. Raha hita izy fa meloka dia mety higadra hatramin'ny 43 taona farafahabeny. Mbola afaka vonjimaika izy amin'izao fotoana izao.

Nitsikera ny mandatehezana mitondra amin'izao fotoana izao efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1950 i Zunar. Noho ny fikatrohany, dia voarara aoMalayzia ny ango-tsariiratra dimy nataony. Fa na ireo manao printy, mampiely, ary mivarotra ireo boky ireo aza dia saritahan'ny governemanta.

Raha tokony hihemotra izy dia nitsipaka ny hotsindriana. Nilaza izy indray mandeha fa “raha mandambolambo ny totohondrim-by ny fitondrana, dia haranitra kokoa ny peniko!”

Nampiany:

Talent is not a gift, but a responsibility. So I will use it as a tool to convey people’s voice through art and to push for total reform for a better Malaysia. I will not keep quiet. How can I be neutral, even my pen has a stand!

Tsy fanomezana ny talenta fa andraikitra. Ka ho ampiasaiko izany itoindrana ny feon'ny vahoaka amin'ny alalan'ny zavakanto sy hanosika mankany amin'ny fanitsiana manontolo hanatsarana an'i Malayzia. Tsy hangina aho. Ahoana no tsy hananako loko raha ny peniko aza manana ijoroana!

From the Facebook page of Zunar Kartunis

Avy amin'ny pejy Facebook an'i Zunar Kartunis

Raha nanontaniana momba ny teknikany, nanazava iZunar fa zava-dehibe ho an'ny artista iray ny ‘manam-pijoroana‘ sy mitondra ny hafatra mety ho an'ny mpamaky :

My ideas are based on current issues, especially politics. When an issue arises, the first step is to understand the issue from different sources and perspectives. After gathering all information, the second step is to take a stand on the issue. This is actually an important step because it will determine the direction of my cartoons. The right stand will convey the right message. I do not want to convey the wrong message just to get people laughing.

Ny hevitro dia mifototra amin'ny firesaka amin'izao fotoana, indrindra fa eo amin'ny lafiny politika. Raha misy olana mitranga, ny dingana voalohany dia ny mahatakatra ilay olana avy amin'ny loharanom-baovao sy fijery isan-karazany. Rehefa voavory daholo ny torohay rehetra, ny dingana faharoa dia ny fananana fijoroana amin'ny raharaha. Tena dingana manandanja tokoa izy io satria hamaritra ny zotran'ny sariitatro. Ny fijoroana mety no hitondra ny hafatra mety. Tsy tiako ny hanome hafatra diso ho fampihomehezana ny olona fotsiny.

Nifampizarana fatratra ity sariitatra ity taorian'ny nisamborana an'i Zunar tamin'ity volana ity. Nilaza i Zunar fahanohy ny fanoritsoritana hatrany izy na dia efa tazonina aza:

Sariitatra Zunar: mandra-pahalatsaka ny farany!

Ity kisarisary ity no nampiasaina ho fototra anenjehana an'i Zunar ho mpampisara-bazana. Najib Razak no praiminisitra amin'izao fotoana izao nampangain'ny mpitarika ny fanoherana Anwar Ibrahim migadra ho mampiasa ny efi-pitsarana ho fampanginana ireo mpitsikera. Anwar, izay mihinana ny famonjana dimy taona noho ny fanaovana sodomia, milaza fa antony ara-politika no anenjehana azy.

Sariitatra Zunar:ny Praiminisitra Najib no mpitsara!

Niaro an'i Zunar ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Suaram ary namelively ny governemanta noho ny fisamborany ireo mpitsikera azy:

Persecuting and prosecuting people for dissenting or for criticising the government goes against the very fundamental principle of democracy and accountability of government. Democracy demands the active participation of citizens in the political process, and that includes the right to criticise, and the right to decide the government of the day.

Manenjika sy mitondra olona ho eny amin'ny fitsarana noho ny fanehoan-kevitra mamalan-kira na noho ny fitsikerana dia mifanohitra amin'ny fitsipika fototry ny demokrasia sy ny fangaraharaham-pitondrana. Mitaky fandraisana anjara mavitriky ny olom-pirenena eo amin'ny sehatra politika ny demokrasia, ary anatin'izany ny zo hitsikera sy ny zo hanapa-kevitra amin'ny governemanta mitondra

Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ny sariitatr'i Zunar ao amin'ny Twitter. Efa mpitsikera ny hetra vaovao (GST) napetraky ny governemanta sy ny hitany ho fitohizan'ny kolikoly avo lenta any amin'ny sehatra avo any. Nasehony ho tahaka ny ahoana ny handratran'ny GST ny rakyat (olon-tsotra):

Sariitatr”i Zunar: 6 isanjato, 6 isanjato

Sariitatr'i Zunar: Rakyat 6 isanjato, govt laharantarehimarika 7

Sariitatr'i Zunar momba ny fampandaniana ny lalàna vaovaon'ny fampisaraham-bazana izay heverin'ny mpikatroka fa hikiky tsikelikely ny feo manivaka antserasera :

Sariitatra Zunar: Lalànan'ny asam-pampisaraham-bazana araka an'i Malayzia

Zunar namotsipotsitra ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana antsoina hoe Pota, izay vao neken'ny parlemanta tamin'ity volana ity, ho fepetra fangejana:

Sariitatra Zunar: Tsy mifaditrovana ny POCA!

Tamin'i 2011 i Zunar no nandray ny ‘Lokan'ny Herimpo anatin'ny Fanaovana Sariitatra’ avy amin'ny Tambajotra Iraisampirenenan'ny Zon'ny Mpanao Sariitatra miorina ao Washington.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.