Bolongan-tsary:Mamerina mandoko ireo ‘klasika’ tsy tontan'ny ela ny mpanakanto Costa Ricain iray

Mural by Francisco MunguíaFrancisco Munguía, mpanao tantara an-tsary sady mpanakanto iray avy any Costa Rica no mamerina mandoko indray ireo ‘classique’ tsy tontan'ny ela ary tsy ela akory izay dia nanao fampirantiana tao amin'ny Mozea natokana ho an'ny ankizy ao Costa Rica. Na izany aza, tsy voatery hiondrana any Costa Rica akory ianareo vao hahita ny zava-bitany: efa nampiakariny ao amin'ny  YouTube izany toy ny hoe tahala virtoaly. Ao amin'ny  MunguíaDJPULP channel, nasiany sary nahetsika maromaro avy amin'ireo nataony ka isan'ireny ny  horonantsary fohy ho fampahafatarana   ny fampirantiana ao amin'ny Mozea :

Munguía dia nahazo ny lazany tao Costa Rica tamin'ny fanaovana kisarisary amin'ny rindrina: ny sanganasany “ny karnavalin'ny soratra sy marika” no azo lazaina lehibe indrindra raha sary amin'ny rindrina ao Costa Rica, ary ny sanganasany koa dia mandravaka rindrina maro amin'ireo faritra sahirana ao an-tanànan'i San José. Amin'ireo bolongan-tsary ao amin'ny canal iray hafa izay azy ohany koa, MunguiaVillalta, dia mamelabelatra ny lalan-kizorany amin'ny fandokoana rindrina izay ahitanao ny firotsahan'ny fiaraha-monina amin'ny fanomezana endrika ny rindrin'ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy, omban-kafatra momba ny famosirana ireo biby ataon'ny olona ho sakaizany,  fiaraha-miasa tohanan'ny Fikambanana mpiaro ny biby ao Costa Rica (ANPA). Nisy fotoana niarahany niasa tamin'ny ANPA, nanao sary hanaingoana akanjo T-shirts, tetiandro sy zavatra tsara hafa amidin'ny Fikambana ho loharanom-bola ho an'ireo toby fandraisana biby tantanany. Ity bolongan-tsary manaraka ity dia avy amin'ny kisary oray ao amin'ny rindrina ao amin'ny faritr'i  Los Guido:


Ity  kisary amin'ny rindrina manaraka ity indray dia nolokoina tao Los Cuadros:


Nisy sarimihetsika nalefany koa miantso motion tao amin'ny canal-ny, ohatra, ity iray ity izay mikasika ny alika, natao indrindra  hiresahana sakafo ho an'ny alika.

Mpikatroka ao amin'ny Farimbon'ny mpanao haikanto  La Casa de la Palmera (Palm Tree House) i Francisco Munguía, azonao atao ny mahalala bebe kokoa momba ny asan'izy ireo ao amin'ny  blaogin-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.