Lahatsoratra farany an'i miora tamin'ny Avrily, 2011
Libia: Ny Vahoaka Mitatitra Vaovao Avy Any Ambava-Ady
Mitohy voasivana ny lahatsary momba an'i Libia rotiky ny ady izay ifanandrinan'ireo mpanohitra amin'ny herin'ny Kolonely Muammar Gaddafi mba hanonganana ny fitondrany izay efa naharitra 42 taona. Ity misy fantina lahatsary farany nalain'ireo mpampiasa aterineto any ambava-ady amin'ireo tanàna lehibe mbola ifandroritana any Libia.
Mampidi-doza ny fiainana manokan'ireo mpampiasa azy ny Microsoft: Tsy misy HTTPS any amin'ireo firenena Arabo, Iran
Amin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy sy ny famoretana mafy ataon'ny governemanta any Afovoany Atsinanana, mampidi-doza ny tsy fahatoniana ao amin'ny aterineto izay mety hisy akony lehibe eo amin'ny fiadanan'ireo mpampiasa aterineto any amin'ny faritra. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny mailaka ary tokony hipetraka ho azy ny fampiasàna ny HTTPS. Manao izany ny Gmail, raha mamela...