Raveloaritiana Mamisoa · Avrily, 2019

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Avrily, 2019

RV newsletter: Fandraketam-peo vaovao mitrandraka ny “zava-kanto sy siansan'ny fiasana miaraka”

Rising Voices  10 Avrily 2019

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika mpivoaka indroa isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana mikasika ny lafiny rehetra amin'ny fampidirana nomerika, anisan'izany ny fidirana sy ny fandraisana fitaovana nomerika, ary koa ny fomba samihafa sy ny fahafahana ho an'ny fiarahamonina mba handray anjara mavitrika amin'ny aterineto.

Mangina ny hetsika Hirak ao Maraoka, kanefa mitohy ny famoretana ireo fampitam-baovao tsy miankina

Niteraka fihetsika feno herisetra ho an'ireo mpanao gazety tsy miankina sy ny olona te-handrakitra ny hetsi-panoherana sy ny famoretana niseho ny fihetsiketsehana. Farafahakeliny mpanao gazety tsy miankina fito no voasambotra raha nandrakitra ny fihetsiketsehana. Araka ny filazan'ny Komity mpiaro ny mpanao gazety, telo no migadra ankehitriny noho ny fitantaran'izy ireo ny Hirak.

Shina: ‘menaka maloto’ mameno ireo toeram-pisakafoanana

  09 Avrily 2019

Nanagadra mpanadio menaka ao Hubei ny ekipa mpanao fanadihadiana ara-toekarena tamin'ny 10 Novambra noho ny famenoana "menaka maloto" maherin'ny 60 taonina eny amin'ny indostrian'ny tranom-pisakafoanana eo an-toerana nandritra ny telo taona lasa. Hoy ny tatitry ny Jingzhou News ao Hubei.

Filoha Chávez sy ny “ady anaty akatan-tserasera”

GV Mpisolovava  08 Avrily 2019

Nanangana ny programa antsoina hoe "Communicational Thunder" [kotroka ara-tserasera] ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez, mba "hiatrika ny lainga sy ny vaovao diso aelin'ny haino aman-jery tsy miankina". "Tsy maintsy atao isan'andro ny tolon'ny fampitam-baovao", hoy izy.