Hofehezina tahaka ny fampitam-baovao ihany koa ny bilaogy Rosiana atsy ho atsy?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2014)

Anonymous does not care. Images remixed by Andrey Tselikov.

Tsy fantatry Anonymous… ary tsy raharahiany. Sary avy amin'i Andreï Tselikov.Anonymous ne sait pas… et il s'en fiche. Illustration d'Andreï Tselikov.

Ny 7 aprily 2014, depioté roa ao amin'ny Douma Rosiana no nampahafantatra fa hanolotra volavolan-dalàna hifehy ny vaovao ao amin'ny aterineto izy ireo. Nametraka volavolan-dalàna i Andreï Lougovoï sy Vadim Denguine (samy liberaly-demokraty) mba hiharan'ny fitsipika mitovy amin'ny an'ireo fampitam-baovao Rosiana ny bilaogera izay manana mpamaky maherin'ny 3000. Ohatra : fanamarinana ny fahamarinam-baovao, fanajana ny fetra taona sy ny fitsipika amin'ny fotoana mialoha ny fifidianana.

Nampahafantarin'i Vadim Denguine tao amin'ny vavahadim-baovao TJournal ihany koa izany, hofaritana amin'ny isan'ny mpitsidika ny isan'ireo mpamaky, ary esorina ao anatin'ny fanisana ny “roboto” rehetra. Araka ny filazan'i Selon Denguine, manana ny fitaovana rehetra ilaina hanaovana ireo kajikajy mikasika ireo bilaogy mahomby ny Roskomnadzor, sampana mifehy ny fampitam-baovao ao Rosia.

Noho ny antony mazava, tsy faly tamin'izany fanambarana izany ireo bilaogera rosiana. Nihevitra ny sasany fa dingana fanampiny mankany amin'ny fifehezana hatrany ny tontolon'ny bilaogy “mpikomy” ilay volavolan-dalàna. Nanoratra ilay mpanao gazety sady bilaogera Oleg Kozyrev, izay manana “namana” maherin'ny 8000 ao amin'ny bilaoginy “LiveJournal” ary mpanjohy maherin'ny 46 000 ao amin'ny Twitter fa natao hanohintohina ny zon'ny bilaogera haneho malalaka ny hevitr'izy ireo manokana ilay volavolan-dalàna. Mazava amin'ny rehetra, hoy i Kozyrev fa natao “hanoherana ny bilaogy ara-tsosialy sy ara-politika sy ireo mpanoratra, ary hanoherana ny tetikasan'ny olom-pirenena sy ny tontolo iainana ireo fepetra ireo”.

Tohina ihany koa ilay mpaka sary sady manam-pahaizana momba ny fifandraisana amin'ny gazety, Marat Gelman :

Не смешно: Они действительно решили блоги у которых свыше 3000 читателей при равнять к СМИ. Я не понимал как это будет работать, а тут обьяснили. Получаешь предписание обязывающее зарегестрировать. А то понимаешь Все СМИ позакрывали, а журналисты, блядь, всё никак не кончаются. У меня в твиттере 63 000.

Tsy misy mampihomehy: Nanapa-kevitra tokoa izy ireo mba hampitovy ny bilaogy manana mpamaky maherin'ny 3000 amin'ny fampitam-baovao. Tsy nazava tamiko ny fomba fiasan'izany, saingy nahita fanazavana aho. Mahazo filazana mandidy anao hanoratra anarana [ny bilaoginao] ianao. Mazava aminao, nikatona avokoa ny fampitam-baovao rehetra, fa oay lety e, tsy hanaiky velively kosa ny mpanao gazety. Manana [mpanjohy] 63 000 ao amin'ny Twitter aho.

Ivan Zassourski, mpampianatra asa fanaovan-gazety ao amin'ny Oniversiten'i Moskoa nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook fa mitondra “olana hafa goavana kokoa” ity volavolan-dalàna ity. Satria tsy afaka tsotra izao hifehy ny Twitter sy Facebook i Rosia, maminavina i Zassourski fa natao hanakatonana ireo tambajotra sosialy vahiny lehibe tsy hidiran'ny olon-tsotra tsy manana tambajotra manokana virtoaly (VPN) ny volavolan-dalàna.

Na dia izany aza, nisy bilaogera iray farafaharatsiny nihevitra fa ilaina ny lalàna tahaka izany, raha lany. Raha tsy miditra amin'ny tetikareo hanao hosoka amin'ny hetra, mampiely torohay tsy famoaka ampahibemaso na fanalam-baraka, dia tsy tokony hanahy ianao hoy i Oleg Lourié. Ankoatra izay, raha te-hanakatona bilaogy ny governemanta, dia efa manana ny fahefana izy. Ary misy lafiny tsara ihany koa: raha hampitoviana amin'ny fampitam-baovao ny bilaogy, dia ho voatery hamaly ny fangataham-baovaon'izy ireo sy hiara-hiasa amin'ny bilaogera tahaka ny ataony amin'ireo mpanao gazety ny andrim-panjakana.

Na izany na tsy izany, tsy resy lahatra ny ankamaroan'ny mpiserasera mikasika ny fahombiazan'ny volavolan-dalàna tahaka izany ary mihevitra fa miteraka olana be loatra ny famerana ny fahalalahana amin'ny zo hiteny. Araka ny nolazain'ilay mpiasan'ny banky taloha sady bilaogera malaza Roman Adveev:

Я не хочу проводить никаких параллелей, но когда в Египте отключили Facebook и twitter, люди просто вышли на улицы… Нужно ли нам это?

Tsy te-hampitaha, fa raha nakatona tao Ejipta ny Facebook sy Twitter, dia nidina teny an-dalambe ny olona….Mila izany ve isika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.