Shina: ‘menaka maloto’ mameno ireo toeram-pisakafoanana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

Nanagadra mpanadio menaka ao Hubei ny ekipa mpanao fanadihadiana ara-toekarena tamn'ny 10 Novambra noho ny famenoana “menaka maloto” maherin'ny 60 taonina eny amin'ny indostrian'ny tranom-pisakafoanana eo an-toerana nandritra ny telo taona. Hoy ny tatitry ny Jingzhou News ao Hubei.

Trano fisakafoanana mitahiry “menaka maloto”, izay amidy 10 dolara-12 dolara isaky ny barika. Sary avy amin'i Don Weinland.

Nitombo be ny ahiahy momba ny menaka efa nampiasaina eny amin'ny lakozian'ny trano fisakafanana hatramin'ny tatitra fanadihadiana tamin'ny volana Martsa nilaza fa mandany ity menaka ity maherin'ny 3 tapitrisa taonina isan-taona ny Shinoa.

Nilaza ny tatitra avy amin'ny Chongqing Evening Post fa ahitana aflatoxines, singa mahatonga homamiadana mahazatra ao anaty bobongolo ary voalaza fa mahafaty in-100 avo heny noho ny arsenika (akora misy poizina) ny menaka.

Manomboka amin'ny fanangonana ireo ambina menaka avy amin'ny lakan-drano maloto sy ny fakon'ireo hôtely sy ny trano fisakafoanana ny famokarana menaka maloto, araka ny filazan'ny Baidu Encyclopedia. Diovina ho menaka azo hanina ilay singa ary avy eo amidy indray any amin'ny indostria, matetika tonga any amin'ny trano fisakafoanana any an-tsekoly sy eny amin'ny toeram-pisakafonana madinika.

Tsy zava-baovao ny fampiasàna miely patrana an'ilay menaka, hoy ilay bilaogera Zizuo-Congming nanoratra. Mampiseho ny fihetsik'i Shina minitra farany manoloana ny olana goavana ara-pahasalamana ny fampahalalam-baovao vao haingana momba ny loza ara-pahasalamana aterak'izany.

地沟油不是今天才有的,为什么直到今天才有记者调查发现?为什么中国很多问题都要到了有危害结果了,而且是很严重的危害结果的时候,人们才会悚然惊觉?

Tsy nipoitra tampoka androany akory ny menaka maloto. Nahoana no androany ny mpanao gazety vao namotopototra sy nahita izany? Nahoana ireo olana maro ao Shina no tsy maintsy misy voka-dratsy mampidi-doza vao mihorohoro ny olona?

Mampiseho ny maha-goavana ny olana eo amin'ny indostrian'ny sakafo ao Shina ny fitantarana betsaka ataon'ny fampahalalam-baovao, hoy ilay bilaogera Xingyu-liushui nanoratra. Saingy mety hiteraka fahazarana tsara kokoa ara-pihinanana ny fanairana.

地沟油事件的披露,说明食品安全环节还存在许多的隐患和漏洞,事关人民群众的生命健康,的确麻痹不得,大意不得。但反过来它又变成一件好事,有了对地沟油危害的认识,就可以举一反三,自觉加强对食用油生产、销售渠道的有效监督,让群众吃上安全油、放心油。

Mampiseho ny fihanaky ny faharefoana sy ny loza miafina eo amin'ny sehatry ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fifandraisany amin'ny fiveloman'ny mponina ny fisian'ny ny loza mitatao amin'ny menaka maloto. Mampalemy tsy misy fanafany sy tsy raharahiana izany. Saingy amin'ny lafiny iray, lasa zavatra tsara ihany koa. Amin'ny fahatsiarovan-tena manoloana ny loza ateraky ny menaka maloto sy ny fandinihana ny indostria amin'ny ankapobeny, afaka manamafy orina ny fanarahamaso mahomby ny famokarana sy ny fivarotana menaka isika, ka mamela ny olona ho velon'aina amin'ny menaka azo antoka.

Mampidi-bola ilay asa, hoy ny tatitry ny Chongqing Evening Post. Mitentina eo amin'ny 45 dolara ny menaka iray taonina maloto nodiovina raha vokarina,  raha 10 hatramin'ny 12 dolara kosa ny barika eny amin'ny tsenan'ny menaka. Miteraka “fofona ratsy tsy zaka” ny fanadiovana araka ny tatitry ny Jingzhou News.

Niha-liana tamin'ny olana ara-pahasalamna ny governemanta Shinoa tamin'ity taona ity. Nanambara ny minisiteran'ny fahasalamana tamin'ny volana Mey fa hisy ny onitra goavana ho an'izay tratra mitàna menaka maloto. Namoaka tolo-kevitra momba ny fampiharana lalàna eo an-toerana sy fepetra fisorohana tsy hitazonana intsony ny menaka eny an-tsena ny Fila-kevi-panjakana tamin'ny volana Jolay.

Raha nijery ny olana ny governemanta foibe, dia sarotra kosa ny mahita vahaolana tsy misy fanarahamaso sy fampiharana lalàna mahomby eo an-toerana, hoy i Zizuo-Congming nanoratra.

管理部门在监察过程中到底做了哪些实事,你们监察的内容有哪些?什么时候去监察了,怎样进行检查的?结果又是怎样的?为什么我们从来没有听过说管理部门在履行职责,为什么我们的管理部门总是在办公室里面喝茶看报纸,却对基本的民生问题漠不关心?

Amin'ny dingana handaminana ny raharaha, inona no tena asa nataon'ireo sampana fitantanana? Inona ireo karazan-javatra arahanao maso? Rahoviana no manaramaso ary ahoana no hanatanterahana izany? Ary inona no vokany? Nahoana izahay no tsy mba nandre mihitsy fa manao ny asany ny sampana fitantanana? Nahoana ny sampana fitantanana no ilaozana misotro dite foana sy mamaky gazety ao amin'ny birao, tsy mirahahara ny fivelomana fototry ny olona.

Tao amin'ny tatitry ny Chongqing Evening Post, nilaza ny profesora He Dongping fa mila 10 taona ny fanafoanana ny menaka maloto.

Miteraka tontolo miroborobo amin'ny fanangonana ireo menaka maloto ny “baranahiny” amin'ny fitantanana ny fakon'ireo tranom-pisakafoanana, hoy izy tamin'ny tatitra. Mila ezaka am-polo taona ny firotsahan'ny governemanta an-tsehatra amin'ny fitantanana ny fako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.