Tanora manao rastà na manao tombokavatsa ao Nizeria? Mety hanorisory sy hamono anao ny polisy

Pikantsarin'ilay tanora Nizeriana maty, Kolade Johnson, miaraka amin'ny fofombadiny Stephanie. 

Ny alahady 31 martsa, maty notifirin'ny Brigady Manokana Miady amin'ny Halatra (Special Anti Robbery Squad (SARS) avy ao amin'ny Komandin'ny Fanjakana Lagos i Kolade Johnson, raim-pianakaviana 36 taona manan-janaka iray. Iray amin'ireo fizarana dimy ambin'ny folo ao amin'ny Departemantan'ny Fanadihadiana Heloka Bevava ao amin'ny Polisy Nizeriana ny SARS. Ny “heloka bevava” nataony? Tratra nandritra ny fisamborana ireo “tanora manao fitafiana tsy mendrika sy manao rastà” araka ny filazan'ny Naija News.

Nitatitra izy ireo fa handeha hijery ny lalao Premier League Anglisy teo amin'ny Liverpool sy Tottenham tao amin'ny toeram-pisotroana ao Mangoro/Onipetesi ao an-tanànan'i Lagos i Johnson raha iny nisy “fiara fitaterana ara-barotra tsy nisy marika” nandalo mitady ireo tanora tsy manara-dalàna – izay nisian'ny vahoaka marobe. Hoy ny tatitra:

…In an attempt to disperse a crowd which had gathered during the raid, one of the police operatives shot dead Johnson, who was trying to leave the scene after watching English Premier League match between Liverpool and Tottenham.

… Tamin'ny fikasana hanaparitaka ny vahoaka izay nitangorona nandritra ny fisamborana, maty nofitirin'ny iray tamin'ireo polisy teo am-perinasa i Johnson, raha niezaka nandao ny toerana rehefa avy nijery ny lalao Premier League anglisy nifanandrinan'i Liverpool sy Tottenham.

Fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra: horonantsary mampihoro-koditra:

Nitifitra olona ny SARS ary lasa tany amin'ny lehilahy iray tsy mana-tsiny izay nijery baolina tamin'io tolakandro io ny bala, maty izy nony farany, very rà be loatra. Enga anie tsy ho tsara mihitsy ny amin'ny Inspektera Jeneraly Vaovaon'ny polisy ny namerina ireo biby ireo ho eo amin'ny fiarahamonintsika

Olona nanatri-maso iray mitantara ny fomba namonoana an'i Johnson:

Lehilahy iray nantsoina hoe kolade Johnson no notifirin'ny lehilahy avy ao amin'ny sampana miady amin'ny halaltra SARS tao amin'ny toby Pentekotista fiantsonan'ny fiara fitaterana, Mangoro.

Nilaza tamin'ny Naija news ihany koa i Taylor fa nitranga tao anatin'ny fotoana fohy ny zava-drehetra:

F-SARS had come to arrest one of the boys of a major music producer who was wears (sic) dreads… We all came out from the bar and kept explaining to the policemen that they were arresting a wrong person. In an attempt to disperse the crowd, a first shot was fired to the ground. Seeing this, I and the others quickly turned back to avoid trouble but because Kunle [Kolade] was probably the last person in the crowd, he was shot point-blank from behind. He didn’t even know he was shot till we had trekked some few meters before we all saw he was bleeding, he died on his way to the hospital at Ikeja [administrative capital of Lagos State].

Tonga hisambotra ny iray tamin'ireo ankizilahy mpamokatra mozika lehibe iray nanao rastà (sic) ny polisy… Nivoaka ny toeram-pisotroana izahay ary nanohy nanazava tamin'ny polisy fa olona tsy izy no nosamborin'izy ireo. Tamin'ny fikasana hanaparitaka ny vahoaka, nisy tifitra voalohany natao tamin'ny tany. Rehefa nahita izany, dia niverina haingana mba hisorohana ny korontana ny tenako sy ny hafa, ary satria azo antoka fa i Kunle [Kolade] no olona farany teo amin'ny vahoaka, dia notifirina avy any aoriana izy. Tsy fantany akory hoe notifirina izy raha tsy nahita izahay metatra vitsy talohan'ny nahitanay fa nandeha rà izy, maty teny an-dalana ho eny amin'ny hopitaly tao Ikeja [renivohim-panjakana ao amin'ny Fanjakana Lagos izy].

SARS: ‘Sampana polisy miasa ivelan'ny lalàna’

Fantatra amin'ny tsy fanasaziana azy ireo sy ny fanitsakitsahana ankarihary ny zon'olom-pirenena Nizeriana ny vondrona SARS ao amin'ny Polisy Nizeriana. Namaritra ny SARS ho toy ny “sampana polisy miasa ivelan'ny lalàna” izay nampiasa ny fampijaliana ho “fitaovana hahazoana fiaikena sy kolikoly” ny tatitry ny Amnesty International tamin'ny taona 2016.

Ao Nizeria, ny @PoliceNG alefa ao amin'ny SRAS dia matetika heverina toy ny “matsiro” ary ialohavan'ny fandresen-dahatra goavana ataon'ny manamboninahitra. Indraindray ireo manamboninahitra mandoa vola N300.000 amin'ireo manampahefana ambony misahana ny famindrana mba hidirana ao amin'ny SARS. #EndSARS

Ny tsy fahombiazan'ny governemanta hanasazy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tahaka izao no nahatonga ny  fanararaotam-pahefana ho toy ny fenitra.

Tezitra ny Nizeriana

Nisaona ny fahafatesan'i Kolade amin'ny maha raim-pianakaviana azy ny Twitter

Maty i Kaylo Boy! ‘Lionako’ … lehibeko… Kolade Johnson sarobidiko… Miala tsiny aho raha nifarana toy izao izy ity… Miala tsiny aho fa tsy teo nanakana ny fandehanan-drà… Miala tsiny aho tsy nahomby ny governemanta… Miala tsiny aho ?

RIP Kolade Johnson na i KayLow #KLOW na i Don Styles. Vao tamin'ny maraina teo isika no niresaka momba ny fandefasana vola any amin'ny zanakao lahy Jason. Mpiady tsara fanahy, tia vazivazy, olona ary namana lehibe. Tsy ho afa-bela ny mpamono anao.

Nitaraina ihany koa mpisera Twitter noho ny zava-misy fa tsy heloka bevava akory ny maha tanora sy manao rastà

TSY heloka bevava ny maha tanora. TSY heloka bevava ny fanaovana rastà.
TSY heloka bevava ny manao pataloha jeans rovitra.
TSY heloka bevava ny manao tombokavatsa sy kavin'ila.
Ny tena heloka bevava lehibe dia ny polisy manao herisetra sy mamono tanora tsy manan-tsiny izay tokony arovan'izy ireo, ary tsy misy olona manakana azy ireo. #EndSARS

Tombokavatsa sy rastà: “tsy vaovao amin'ny kolontsaintsika”

Vehivavy Fulani miaraka amin'ny tombokavatsa nentin-drazana Zani tao an-tsena, Serti, Nizeria. Sary avy amin'i Rosemary Lodge, 20 Novambra 2009, via Flickr, CC BY-NC-SA 2.0.

Nanafika ny toeram-pisotroana ny polisin'ny SARS tamin'ny alahady niaraka tamin'ny fikasana hisambotra ireo “sekta” fantatra amin'ny tombokavatsa na rastà. Mihevitra ny polisin'i Nizeria ao amin'ny fanjakana Lagos fa tsy maintsy samborina ireo “tanora manao rastà sy tombokavatsa eo amin'ny vatany” satria “mifamatotra amin'ny angetsangetsan-tsoratra (cultisme) ny zavakanto ara-batana” ary “hafahafa amin'ny kolontsaina [Nizeriana].”

Na izany aza, sady tsy nisy tombokavatsa no tsy rastà i Johnson.

Endri-panehoana ara-kolontsaina mahazatra izay talohan'ny kolonialisma any amin'ny faritra sasany any Afrika ny tombokavatsa – na ny fandidididiana tarehy –  Manamafy ilay Nizeriana manam-pahaizana, Taiye Aluko fa “mampiavaka indrindra ny kolontsaina Yoruba any atsimo-andrefan'i Nizeria ny tombokavatsa sy ny fandidididiana”. Tahaka izany koa, ny Igbo any atsimo-atsinanana dia manatanteraka ny  fanaovana tombokavatsa amin'ny vatana na Ichi amin'ny fampilaharana ireo zokiolona sy ny Uli izay faritan'ireo manam-pahaizana fa “loko indigo nampiasaina hanatsarana ny vatan'ny olombelona.” Ao amin'ny Haussa any avaratr'i Nizeria, antsoina hoe Zani ny endri-bolo miaraka amin'ny fandokoana manga sy saribao fingotra manamarika ny fokony. Manana dada, ankizy teraka miaraka amin'ny rastà voajanahary ihany koa ny Igbo sy Yoruba.

Noho izany, ny SARS izay mikendry ny olom-pirenena manao tombokavatsa na rastà dia miasa manohitra ny kolontsaina Nizeriana ary mamadika ny kanto ara-batana ara-kolotsaina ho heloka bevava.

#ENDSARS – tenirohy nitombo ho fihetsiketsehana

Nanangana ny hetsika #EndSARS ilay mpikatroka Segun Awosanya satria leon'ny fampijaliana mitohy, ny fakàna vola sy ny famonoana ny tanora izy:

Raha manadio ny rafi-pitantanana isika, dia tsy mila miahiahy intsony ny vahoaka rehefa mahita mpitandro ny filaminana. Ny polisy dia natao hiaro ny aina sy ny fananana fa tsy haka an-keriny, hampijaly, maka vola an-keriny sy mamono ny tanorantsika. Tokony ho goavana ny famaizana izany. Tsy maintsy ho heloka amin'ny fanjakana izany!

Pikantsarin'i Segun Awosanya, tompon'andrakitra amin'ny #EndSAR, hetsika manohitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny polisy Nizeriana.

Nitombo ny End SARS avy amin'ny tenirohy #EndSARS tamin'ny hetsika ara-tsosialy sy vondrona mpisolovava izay mampiasa ny Twitter hatrany mba hanaraka ny fihoarampefy ataon'ny SARS. Matetika miresaka amin'i Awosanya amin'ny alàlan'ny alàlan'ny Twitter-ny (@segelink) ireo tanora Nizeriana niharan'ny fanorisorena ataon'ny polisy ary saika amin'ny tranga rehetra, miditra an-tsehatra sy manome fanohanana ny vondrona mpanandratenin'i Awosanya.

Ny fitarainan'ny haino aman-jery sosialy nateraky ny fanentanany no nahatonga ny Filohan'i Nizeria Muhammadu Buhari hanome baiko amin'ny “fandaminana indray ny ekipa manerana ny firenena, ka nihetsika ireo mpitarika ambony ao amin'ny polisy amin'ny fanavaozana indray ny SARS amin'ny fomba ivelany.

Noho ny famonoana an'i Kolade Johnson, mbola betsaka ny zavatra tokony hatao mba hampitsaharana ny fanararaotan'ny polisy, sy ny fakàna vola an-keriny amin'ny Nizeriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.