Tafatafam-baovao miaraka amin'i Haruki Murakami mijery indray ny Heisei Japan

Haruki Murakami

Haruki Murakami nandray fitenenana tany Ekoadaoro tamin'ny volana Novambra, 2018. Sary azon'ny rehetra ampiasaina.

Nandritra ny tafatafam-baovao, niverina tamin'ny vanim-potoanan'ny Heisei ao Japan ilay mpahay tantara Japoney, Haruki Murakami, izay hifarana ny 30 aprily 2019, rehefa hiala amin'ny sezam-piandrianana ny amperoran'i Japan ankehitriny.

Amin'ny maha-mpanoratra tantara azy, matetika heverina toy ny solontenan'ny vanim-potoana Heisei tany Japan i Murakami, vanim-potoana izay nanomboka tamin'ny 8 Janoary 1989. Ankoatra ny fahitana ny firodanan'ny toekarena an-tavoahangy mihidy sy ny fitotongan'ny toekarena tamin'ny taompolo 1990, nahitana horohoron-tany lehibe izay nandrava ny tanànan'i Kobe tamin'ny taona 1995 ny vanim-potoana Heisei, nahafatesana olona mihoatra ny 20.000 kosa ny horohorontany sy tsunami goavana hafa tamin'ny taona 2011 ary niteraka loza nokleary lehibe sy loza voajanahary mifandraika amin'ny fiovan'ny toetr'andro.

Nandritra ny tafatafa, nilaza i Murakami hoe:

I don’t know why, but my books seem to be read especially when what we had before suddenly collapsed or disappeared. I feel that (my books) began to be essentially accepted in Japan around the time when the Heisei era started with the death of the emperor, the asset-inflated economy collapsed and the Great Hanshin Earthquake and the sarin incident occurred.

Tsy fantatro ny antony, fa toa novakiana ny bokiko, indrindra rehefa nirodana sy nanjavona tampoka izay nanananay teo aloha. Mahatsiaro aho fa nanomboka nekena tany Japan (ny bokiko) manodidina ny fotoana nanombohan'ny vanim-potoanana Heisei tamin'ny nahafatesan'ny amperora, nirodana ilay toekarena niroborobo ary nipoitra ny horohorontany Lehibe Hanshin sy ny loza sarin.

Nisy ny tafatafa niarahana tamin'i Murakami taorian'ny boky tantarany “1Q84″ voafidy ho boky tsara indrindra nivoaka teo anelanelan'ny taona 1989 ka hatramin'ny taona 2018, vondrona mpandinim-boky 120 no nifidy izany tamin'ny fanadihadiana momba ny vanim-potoana Heisei notontosain'ny gazety Asahi Shimbun.

Ao amin'ny tafatafa, miresaka ny ankamaroan'ny bokiny i Murakami, anisan'izany ny “1Q84″, “Taorian'ny Horohorontany”, sy ny “Ambany tany: Ny Fanafihana ny Etona Tokyo sy ny dindo Japoney”.

Azo vakiana ao amin'ny tranonkala Asahi Shimbun ny resadresaka feno niarahana tamin'i Haruki Murakami .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.