Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2021
Niantso ny hanaovana fifidianana mialoha amin'ny volana Jona mba hanamaivanana ny krizy ny Praiminisitra Armeniana
Notakiana imbetsaka ny filoham-pirenena hametra-pialana nanomboka ny volana Novambra rehefa nanao sonia fifanarahana fandriampahalemana namarana ny ady tamin'i Haut-Karabakh izay naharitra enina herinandro, izay nolazain'ny Armeniana maro fa tsy mifandanja satria manome tombony an'i Azerbaijan.
Fanampiana noho ny maha-olona ao Siria: Fotoana izao ialàna amin'ny fiankinandoha ka hizorana ho amin'ny fandaharanasa maharitra
Nolavin'i Etazonia sy ireo mpiaradia taminy tsy hiditra amin'ny fanarenana satria hoe mety hiafara eny an-tànan'ny governemanta siriàna teo ambany fitarihan'i Bashar al-Assad.
Tafakatra 71 ny isan'ny maty tamin'ny Alahady nandritra ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana tany Myanmar
"Tsy azo ekena mihitsy ireo fitifirana ireo. Tsy manaparitaka ny fihetsiketsehana izy ireo fa mamono ny vahoaka amin'ny herisetra fotsiny."
Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin
Niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin, mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir.
Tezitra ny Angoley taorian'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika ho an'ny fizakàntena
Nilaza ny hetsika mitaky ny fizakantena ho an'ny antsasany atsinanan'i Angola fa nitifitra tsy ankanavaka ireo mpanao fihetsiketsehana nanatrika ny hetsika tao amin'ny tanànakely fitrandrahana tao Cafunfo tamin'ny 30 Janoary ny polisy.
Repoblika Serba ao Bosnia : Manampahefana ampangaina ho manao sorona eo ambony alitaran'ny fizahantany ny fahatsiarovana ilay fandripahana
Ekena fa toerana nitrangana heloka bevava nahatsiravina ny hotely Vilina Vlas nandritra ny ady tao Bosnia tamin'ny 1990 tany ho any, fa dia mbola miasa foana izy