Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2010
Goatemala: Mpampianatra vazimba sy mpanakanto nalaina an-keriny ary novonoina ho faty
Fiakarana tandrimona herisetra no miseho amin'ireo vondrom-piaraha-monina maro samihafa any ambanivohitr'i Goatemala. Tamin'ity indray mitoraka ity, mpampianatra manana ny maha-izy azy, mpitarika am-panahy, mpandihy ary mpanakanto ao amin'ny Sololá: Lisandro Guarcax.
Zeorzia: Fitsingerenan'ny faha-roa taonan'ny Ady tao Ossetia Atsimo
Mifangaro ireo hetsika amin'ny aterineto izay sady mifantoka amin'ny tontolo ara-jeopolitika ihany koa raha toa kosa i Jorjia ka mankalaza ny faha-roa taonan'ny ady nifanaovany tamin'i Rosia tamin'ny volana Aogositra 2008 mikasika ny sisin-tanin'i Ossetia Atsimo
Tonizia: Rehefa ny mpanakanto toniziana no mihiaka hoe “Ho ela velona i Netanyahu”
Iray amin'ny takelaka Facebook maro nitsangana hanameloka an'i Sherif Niteraka hatezerana sy fahadisoam-panantenana tamin'ny Toniziana ny fivezivezen'ny lahatsary iray ahitana ny mpihira Tonizian Mohsen Sherif mihiaka hoe “Ho ela velona Bibi...
Kambodza: adihevitra momba ny raharaha Duch
Nahazo sazy 35 taona ny lehiben'ny fonja nampangaina ho nanome ny baiko hampijaly sy hamono ho faty ireo olona 14,000 nandritry ny fitondran'ny Khmer Rouge tany Kambojy . Ity no sazy fanamelohana voalohany taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Khmer Rouge 30 taona lasa izay . Manao hetsika ireo mpitoraka bilaogy.
Georgia (Zeorzia): Ady mangatsiaka, hasambàrana mangatsiaka
Herinandro monja mialoha ny tsingerintaona faharoan'ny ady tselatra teo amin'i Rosia sy Georgia [Zeorzia] hifehezana ny faritra mpisintaka ao Atsimon'i Ossetia, mamily ny fifantohan-tsainy ho any amina ady mangatsiaka iray misy eo amin'ireo firenena roa ireo kosa i Evolutsia, ny ao Abkhazia.