Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2013
Niala Tsiny i Etazonia Manoloana Ny Fisamborana Sy Fisavàna Nanaboridanana Ilay Diplomaty Indiana Devyani Khobragade
Araka ny voatatitra dia naneho alahelo tamin'ny fomba nanaovana ny fisamborana an'i Devyani Khobragade, ny Sekreeram-panjakana John Kerry tanatinà antso an-tariby ho an'ny mpanolotsainan'ny Fiarovam-pirenena ao India, Shiv Shankar Menon.
Krismasy Sambatra Avy Amin'ireo Siriana Artista
Azo jerena anatina taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa ny fahaverezam-panantenan'ny firenena iray. Et ny fomba nankalazan'ireo Siriana artista ny Krismasy
Bangladesh : Herisetra Ara-Politika, ‘Firy ny Maty Vao ho Afa-Po Ry Zareo ?’
Nahafaty olona maro sy mbola mampatahotra ny hafa handeha hamonjy ny asany ny andianà herisetra maka endrika politika natao tamin'ny fiara fitateram-bahoaka sy fiara vaventy any Bengladesh.
Sodana Atsimo No Foko Niaviako Ka Misafidy Ny Fandriampahalemana Aho
Amin'ny fampiasàny ny tenifototra #MyTribeIsSouthSudan sy #iChoosePeace, miantso fandriampahalemana sy firaisam-pirenena ao amin'io firenena io ireo vahoaka Sodane Tatsimo sy ireo sakaizan'i Sodana Atsimo
Misy Mitatitra Fa Novonoin'ny Fitondrana Ilay Syriana Mpanao Sariitatra Akram Raslan
Mbola tsy fantatra marina izay tena manjò ilay Syriana mpanao sariitatra Akram Raslan, nahazo lokan'ny Fahasahiana amin'ny fanaovana Sariitatra 2013, nosamborin'ny fitondrana Assad tamin'ny Oktobra 2012.
Tsia Amin'ny Fitaovam-Piadiana Shimika Syriana Hopotehina Any Albania
Nandeha ny tatitra fa hopotehina any Albania ny tahiram-pitaovam-piadiana Shimika Syriana. Notsipahan'ny governemanta Albaniana ny tolo-kevitra rehefa nahatezitra ny Albaniana ka nidinan'izy ireo an-dalambe.
Lahatsary: “Aoka Izay: Tantaran'ny Revolisiona” Any Syria
" Aoka izay: Tantaran'ny Revolisiona" dia horonantsary fanadihadiana maharitra 15 minitra mikasika ny ady ao Syria, izay nanomboka tamin'ny gidragidra ary niafara tamin'ny fanantenana "
Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany
Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana an-keriny, izay niteraka ny antso famotsorana azy ireo avy hatrany.
Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria
Mitohy ny antso ho famotsorana an'ireo espaniola roa: mpanao gazety Javier Espinosa sy ilay mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova, izay nalain'ny Fanjakana Islamika ao Syria sy Iraka an-keriny.
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Vondro-Tafika Manokana, Hard Ingush

Monina ao Ingushetia i Hard Ingush izay milaza tena ho manamboninahitra mpampihatra ny lalàna ao amin'ny Vondro-Tafika Manokana. Tao anatin'ny roa taona izay dia izy no lohalaharana ao amin'ny tontolom-bilaogin'i Kaokazy avaratra.