Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2016

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2016

30 Jona 2016

36 No Maty Raha Kely Indrindra Vokatry Ny Herisetra Tao Amin'ny Seranam-piaramanidin'i Istanbul

Manameloka ny ISIS tamin'ny fanafihana ny governemanta .Nanokatra maimaim-poana ny varavarany ho an'ireo mpandeha tafahitsoka avy amin'ny firenena maro samihafa ireo tokantrano sy ireo trano fandraisam- bahiny ao amin'ny tanàna lehibe indrindra ao Torkia

29 Jona 2016

Manangana Zavakanto Sy Mozika Tsy Ahafahany Mody Ny Ankohonana Syriana Iray Ao Etazonia

Tsy mbola nahateny ny Filoha Obama amin'ny fiangaviana hanaiky ny mpialokaloka Syriana. Saingy efa manana visa sady monina ao Etazonia, tsy amin'ny maha mpialokaloka fa amin'ny maha profesora ny Syriana sasantsasany.

27 Jona 2016

Fifandraisana Sy Fanondroana An-tsarintany Ny Herisetra Misy Aty Afrika Atsimon'i Sahara

Misy fitaovana vaovao iray ifandraisana mitsongo dia ireo herisetra ara-politika manerana an'i Afrika Atsimon'i Sahara mametraka an-tsarintany ny isan'ny maty isa-paritra, ireo fironana manavatsava fotoana, ary ireo tompon'antoka amin'izany.

24 Jona 2016

Fanentanana An-Tserasera Ho Fikarohana Ireo Mpanoratra Tononkalo Tany Am-ponja Tsy Fanta-Tompo Nandritra Ny Fitondrana Jadona Tany Arzantina

"ho an'ny ankizy rehetra izay miandry/ny fiposahan'ny masoandro/ho anareo rehetra miroso hatrany isika"

22 Jona 2016

Fasana Maro Sosona Ao An-tanànan'i Douma, Syria

Nampianatra anay ny fasan'ny Douma fa manana ny endrika kantony manokana amin'ity ady ity ny fahafatesana.

21 Jona 2016

‘Neny, Aza Mitomany Raha Tsy Hitan'Izy Ireo Ny Fatiko': Fahatsiarovana Ireo Mpitsoa-Ponenana Syriana 4000 Maty Teny An-Dalana Ho Any Eoropa

Namoy ny ainy tany an-dranomasina ireo mpitsoa-ponenana Syriana maherin'ny 4000 anisan'izany ny ankizy maro. Maro tamin'izy ireo no tsy fantatra, ary tsy hita. Ary ny ranomasina no toerana fitsaharany farany. Ny ranomasina no fasany. Ny ranomasina fasana.

15 Jona 2016

Manampy Ireo Mpitsoaponenana Any Eorôpa Hahazo Aterineto

Rising Voices

"Laharampahamehana ho an'ireo mpitsoaponenana vao tonga ka te-hampahafantatra ireo olon-tiany fa salama tsara izy ireo, ny fifandraisana amin'ny fianakaviana."

11 Jona 2016

Voalaza Fa Nisy Olona Nitam-piadiana Nanafika Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Kolombiana, Izay Mampalemy Ny Dinika Ho Amin'ny Fandriampahalemana

Tsy dia mazava loatra ny antony, kanefa nisy nanafika ny iray amin'ireo mpitarika antoko ao Kolombia tamin'ny volana lasa teo. Tsy maty fo aman'aina izy, nefa tsy azo lazaina amin'ny dinika ho an'ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena izany.

Voahodidin'ny Korontan-trano Rava, Naato Ny Nofinofin'ity Mpivarotra Voninkazo Ao Syria Ity

"Rehefa tapitra ny ady, maniry ny hiverina aho mba hanohy ny nofinofiko."

08 Jona 2016

Tsy Misy Azafady, Saingy Amin'ny Lafiny Tsara No Ijeren'ny Japoney Maro Ny Fitsidihan'i Obama An'i Hiroshima

Na dia eo aza ireo fitarainana, Japoney maro no nankasitraka ny fitsidihan'ny Filoha Obama an'i Hiroshima tamin'ny 27 May 2016.