Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2012
Vonjeo Ireo Toerana Lova Tandindonin-doza Ao Syria
Etsy ankilan'ny fitomboan'isan'ny maty, misy famonoana iray atao an'ireo lova ao Syria koa izao. Kely no mba resaka atao mikasika io olana io, na any anaty fampahalalam-baovao mahazatra na anatin'ireo media sosialy hoy i Thalia Rahme.
Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao
Misy famantarana fito ho an'ireo "henatra ho an'ny fanovàna" - na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria.
Mampikorontan-tsaina An'i Zeorzia Ny Sarin'ady Ataon'i Rosia
Amin'ity Septambra ity, miomana ny hanao ny 'Caucasus-2012' miaraka amin'ireo tafiky avy amin'ireo faritra nihataka tamin'i Zeorzia, faritanin'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Caucasus-2012 dia hatao any amin'ny faritra Kaokazy Avaratra, ary hahitàna fandraisan'anjaran'ny [ru] miaramila 8.000, hatraminà fitaovana mavesatra, artillerie, sambo, ary fiaramanidina mpiady. Io no ho fanazarantena lehibe indrindra...
Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth
Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka...
Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón
Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.
Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita
Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny...
Meksika: Manao Amboradara Ho Amin'ny Fandriampahalemana
Miaraka manatontosa ny amboradaran'ny Fandriampahalemana any amin'ny tanàna tahaka an'i Guadalajara, Monterrey ary Mexico City, ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra hametaka ny anaran'ireo niharan'ny herisetran'ny Ady amin'ny Rongony amina mosoara fotsy.
Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’
Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny "hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany". Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny...
Syria: #InMySyria Ho Feno Fahalalahana Ny Arabe
Nanonofy maraina vao ho an'ny fireneny ireo Siriana mpikirakira aterineto, izay hifohan'ny vahoaka ny rivo-pahalalahana, hiaina anaty fitoviana ary ho nofiratsin'ny lasa sisa ny fisamantsamahana. Fantaro ny fomba fijerin'izy ireo ny ho avy amin'ny fampiasàna ny tenifototra #InMySyria ao amin'ny Twitter
Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny
Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...