Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2016

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2016

Mampiseho ny Lanonana Fampihavanana ao Kolombia fa ny Vahoaka no Mametraka ny Fihavanana, Fa tsy ny Fifanekena

"Mila fihavanana izahay ary handeha hanangana izany. Milokaloka izahay fa hanangana fihavanana "

Any Iràna, Mbola Takona Foana Ny Adin'ny Kiorda

Ny adin'ny Kiorda no mbola mijanona ho iray amin'ireo zava-mitranga manintona indrindra amin'ireo any Afovoany Atsinanana. Mihetsiketsika tokoa ireo Kiorda ao Iràna, fa matetika tsy raharahian'ny vondrona iraisam-pirenena.

Miady Hanorina Fiainana Vaovao Ireo Mpitsoa-ponenana Nody Any Myanmar

“Niverina avy tany amin'ny toby izahay. Tsy nitondra vola be. Nahoana no asaina mandoa 3 tapitrisa Kyat [2.200 dolara amerikana] ? "

Mpikatroka Fampitam-baovao Syriana : ‘Tena Mampatahotra Sy Mampihorikoditra, Lasa Tanànadehiben'ny Horohoro i Aleppo’

Niteraka ny zanany faharoa vavikely tao anatin'ny fahirano nahafatesan'olona maro tao an-tanànan'izy ireo i Gnaid, mpikatroka iray ao amin'ny Foibe Fampitam-baovao Aleppo , sy ny vadiny.

“Resaka” Naharitra Ampolony Taona Teo Amin'ireo Mpiangaly Rock Yogoslavy sy ny Poloney

Na dia tsy matetika loatra aza ny fifamatorana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena niteraka an'i Yogoslavia sy Polonina, misy ny endri-pifandraisana iray miavaka. Nandritra ny efapolo taona farany, namorona tetezana manokana nampifanakaiky ny olona ao amin'ireo firenena ireo ny mozika rock.