Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2022
Fomba anoheran'ireo tanora palestiniàna ny fibodoana ataon'i ISraely: ny hety volo
Andian-taranaka vaovao manjary tsy manana fanantenana manoloana ireo zava-misy feno habibiana amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra ataon'ny Israeliana no mitarika ny ady amin'izao fotoana izao. Maneho ny fiombonampo amin'ireo tanora ireo ny Palestiniana no sady manohana ihany koa ny fanoherany.
‘Antsoy amin'ny anarany ry zareo': Tantaran'ireo Rosiana mpanohitra ady, nogadraina noho ny resaka pôlitika
Tamin'ny Martsa 2022, nandany ny fanitsiana ny Fehezan-dalàna Rosiana momba ny Heloka Bevava ny Parlemantera, manome alalana ny sazy fampidirana am-ponja ho an'ny fanoherana ady. Ankehitriny, misy miatrika sazy hatramin'ny 10 taona ny olona sasany.
Te-hiteny handà ny ady ireo Rosiàna mpampiasa media sosialy ankehitriny saingy tsy tena milaza izany
Tsy maintsy miverina amin'ny fiteny tsy loa-body indray ny Rosiana raha tiany ny hanohy ny fanoherana ny ady
Azerbaijan: Notanan'ny polisy ilay mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana
Araka ny tatitry ny polisy, nosamborina teny an-kianja i Mammadli noho ny fanoherana ny polisy, izay anisan’ny fiampangana mahazatra amin’ny fepetra famaizana any Azerbaijan ampiasaina hikendrena ireo mpikatroka ara-politika sy sivily.
Armenia sy Azerbaijàna, samy nanaiky ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny taniny ny roa tonta
Emanuel Macron, filoha frantsay sady filohan'ny filankevitra eorôpeàna, no niahy ny fifampiresahana fikatsahana fandriampahalemana
Habaka Twitter : Ny fiteny okraniàna sy ny dikany erantany
Vakio ireo tsonga avy ao amin'ny habaka Twitter-nay amin'ny fiteny okrainiàna, ilay fitaovana tsara indrindra hianarana ny okrainiàna, ny fampitoviana atao amin'ireo okrainiàna mpitsoa-ponenana sy ireo olona hafa nafindra toerana, ary mbola misimisy kokoa noho izay aza. Jereo ato koa ny rakipeo manontolo
Vehivavy Aostraliana iray mpitsabo mpanampy miresaka mikasika ny iraka maha-olombelona notontosainy tany ambava-ady tao Okraina
"Na inona na inona ankolafy misy ny fianakavianao na ny namanao, misy ireo aina tsy manan-tsiny ampiasaina ho sahala amin'ny vatom-panorona anaty lalao tena ratsy."
Fandosirana goavana avy any Rosia: Mivantana tao amin'ny Twitter rosiàna
Rosiàna vinavinaina ho 260.000 any ho any, lehilahy ny ankamaroany, no nandao ny fireneny nanomboka ny 21 Septambra rehefa nambaran'ny filoha Poutine ny "fanetsehana amin'ny ampahany". Ny maro tamin'ireo nandositra dia niampita ny sisintany nankao Zeorzia sy Kazakhstan