Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2018
Serbia: “Fasisma Miafina”
Aingam-panahy avy tamin'ny lovan'ny mpikatroka Afrikanina Amerikanina Audrey Lorde, nanameloka ny mpiray tanindrazana aminy, bilaogera Serba, amin'ny fahanginana momba ny heloka bevava miseho ao amin'ny tokotanin'izy ireo ihany. Nandika sombiny izay avy amin'io lahatsoratra mahaliana io i Sinisa Boljanovic
Rakipeo: Antsafa Niarahana Tamin'I Sudanese Drima
Miresaka momba ny fiantraikan'ny media sosialy eo amin'ny finoana Islamo, ny fifandirana ao Darfour, ary ny olan'ny mari-panondroana Afrô-Arabo any Atsimo Atsinanan'i Azia isika ato anatin'ity antsafa maharitra folo minitra ity.
Sri Lanka: Notre-Dame an'i Madhu sy Ilay Eveka
Raha ny filazana matetika momba ny fitanilàn'ny Eveka ao Mannar sy ireo pretra diosezianina manoloana ireo tigra, dia tsapa ny tsy firaharahiana ny toe-javatra misy....Bodista mpivavaka be ny filoha Mahinda Rajapaksa, saingy katolika mpivavaka be ihany koa i Shiranthi Rajapaksa vadiny.
Niala Tao An-tanànan'i Raqqa Any Syria Ny ISIS, Saingy Mbola Mandratra Sy Mamono Ny Vanja Naleviny
"Nirahako hizaha ny tranonay teo akaikin'ilay 'rond-point' famantaranandro ny iray amin'ny zanako lahy, saingy rehefa tonga teo izy, vanja milevina no niandry azy teo anoloan'ny varavaran'ny trano".
Tsy Ampy Hametrahan'ny Governora Fialàna Fotsiny Izay Fangatahan'ny Filoha Ao Afghanistan
"Manana governora roa i Balkh (amin'izao fotoana izao)... Ny iray mitantana ny faritany tahaka ny mpanjaka, ary tsy mety miala. Tsy mahazo ny toerany kosa ny mpandimby azy."
Milaza Ny Mpanohitra Ao Borondia Fa Ny Vato ‘Eny’ Amin'ny Fitsapa-kevi-bahoaka Ihany No Ahafahana Manalava Ny Fitondran'ny Filoha
Mitodika amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka, izay ho atao amin'ny volana May, mikasika ny fanovàna lalàm-panorenana izay ahafahan'i Nkurunziza mijanona eo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 2034 ankehitriny ny governemanta. Fantatra fa ho atao amin'ny taona 2020 ny fifidianana.
Iza No Tomponandraikitra Amin'ny Famaranana Ny Herisetra Ara-Nofo Ao Somalia?
Na nisarika ny sain'ny governemanta Somaliana sy ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena aza ny olana mikasika ny fanolanana nandritra ireo taona farany, mbola mitoetra mihanaka be hatrany ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy sy ireo ankizy ary mbola mitohy mitombo ny isan'ny tranga-na herisetra.
Nahazo Fahafahana Ireo Olom-pirenena Nizeriana Miisa Telo Ambinifolo Taorian'ny Fakana An-keriny Nataon'ny Boko Haram Nandritra Ny Volana Maromaro
"Faly izahay fa afaka ireo olona miisa 13 ary afaka nahita ny fianakaviany indray ..."
Milaza Ho Mitondra Ny Tena Feo Ara-javakanto Ny Sehatra Ara-kolontsaina Palestiniana Iray ao Haifa
“Toerana ara-javakanto iray mbola tsy vita ao Haifa, manasa ny olona mba handray anjara, hahazo fahafaham-po sy hahatsiaro ho ao anatin'ny toerana."
Voadona Mafy I Afghanistan Noho Ireo Fanafihana Roa Nahafaty Olona Tao Anatin'ny Herinandro Latsaka
Nitondra vaovao mampalahelo mahazatra ho an'i Afganistana ny volana Janoary taorian'ny fanafihana roa nifanesy namely ny olom-pirenena ao amin'ity firenena Aziatika Atsimo ity.