Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2017

29 Avrily 2017

Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana

GV Mpisolovava

"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."

28 Avrily 2017

Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana

Akon'ny RuNet

Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.

Ny Fomba Nahatongavan'ny Mariky ny Silamo Henjam-Pihetsika ao Indonezia Hatrany Anaty Pejin'ny Marvel Comics

" Io asa kanto io dia hoesorina ao anatin'ireo boky voatonta, ny dika dizitaly, ary ireo bokikely fanao am-paosy, ary hisy fepetra ara-pitsipika horaisina," araka ny fanambaràna navoakan'ny Marvel Comics.

26 Avrily 2017

Manome Topi-maso Momba Ny Firotsahan'ny Miaramila Amerikana An-tsehatra Tao Azia Atsimo Atsinanana Ny Mozea Antseraseran'ny CIA

Azia Atsimo Atsinanana dia faritra nisian'ny firotsahana an-tsehatry ny Amerikana tamin'ny Ady tao Vietnam, izay nitarika ny fihitaran'ny hetsiky ny milisin'ny CIA tany Laos sy Kambodza.

23 Avrily 2017

Fampivoarana ny Tanàndehibe ao Tsetsenia: Nahoana ny Olona no Mandao ny Vohitr'ireo Razambeny?

Lasa tanàna haolo ireo toeram-piompiana sy fambolena any Tsetsenia satria natakalon'ireo mponina tao am-bohitra ny asa an-tselika sy ny tolotolotry ny tanàndehibe ireo asa mafy sy ny fitobahan'ny vokatra eny an-tsaha

Tahaka Izao Ny ‘Solomaso Mpanavakava-bolonkoditra” Raha Atao ao Rosia

Akon'ny RuNet

Navoakan'ilay Rosiana Alexey Yurevich mpanao sarimiaina ny voatra nalainy avy amin'ny sarimiaina malazan'i Rudy Mancuso tamin'ny taona 2016, mitondra ny lohateny hoe “Solomasom-panavakava-bolonkoditra,” amin'ny fampiasana toerana mitovy fa amin'ny fijery rosiana ihany.

21 Avrily 2017

Ara Malikian, Mpitety Vazantany Sy Mpitendry Lokanga

Nitafa tamin'i Ara Malikian, armeniana lehibe tany Libanona, mpitendry lokanga, momba izay namolavola ny fiainany sy ny mozikany ny Global voices.

18 Avrily 2017

Ny Tendrombohitra Amin'ny Endrika Hafa: ‘Ski Challenge’ Ao Afghanistan

Raha te hanao ski ao Afghanistan ianao, Bamyan no toerana tsara.

16 Avrily 2017

Mpampianatra Ambony Lavitra dia Lavi-Toerana Mitady ny Fomba Iarovana ny Harem-Bakoka Fahagolan'i Syria

Mampiatrano fampirantiana mifantoka amin'ny fanavotana ny sisam-bakoky ny tantara fahagolan'i Syria ny Mozea Ian Potter an'ny Oniversiten'i Melbourne.

Raikitra ny Fitsapa-Kevi-Bahoaka ao Torkia. Inona no Mety Hiova?

Hiova ny fitsipi-dalao ao Torkia, mankany amin'ny fanomezana vahana tafahoatra izay mpilalao matanjaka indrindra