Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2014
Mitokona Noho Ny Zava-doza Tao Ayotzinapa Ireo Meksikana Mpianatry ny Anjerimanontolo
"Velona ry zareo no nalaina, Velona izy ireo no tianay hita miverina!" Maneho ny firaisankinany ho fitakiana ireo mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, Guerrero, ary tsy mbola nahitam-bahaolana, ny vondrom-piarahamonin'ireo mpianatra ao Meksika
Manohana An'i Okraina Ireo Rosiana Lehiben'ny Mpanohitra, Fa Tsy Hiverina Kosa Anefa i Krimea
Manana hafatra ho an'i Okraina ireo lehiben'ny mpanohitra, Alexey Navalny sy i Mikhail Khodorkovsky : Lasa iny i Krimea, ary tsy hahatafaverina azy intsony i Okraina.
Kashmir Niatrika ‘Herisetra Ratsy Indrindra Tao Anatin'ny Folo Taona” Teo Amin'ny Indiana sy Ny Pakistaney
Nantsoina ho "ratsy indrindra tao anatin'ny taom-polo" ny fitroarana farany tao amin'ny LOC, ary maro ny matahotra fa mety hanimba ny fampitsaharana ady 2003 manontolo izany.
Olon-tsotra Mpampita Vaovao Nisy Naka An-Keriny sy Namono tao Meksika Fa Nitatitra Fikambanan-Jiolahy
I María del Rosario Fuentes Rubio dia nanolo-tena ho mpandray anjara tao amin'ny Valor por Tamaulipas (Herimpo ho an'i Tamaulipas), sehatry ny olon-tsotra iray fampitam-baovao mamela ny mpiserasera hanao tatitra, tsy manonona ny anarany, amin'izay herisetra hitany.
Lahatsary Ahitana Ireo Bahrainita Mpikambana Vaovaon'ny ISIS Miantso Bahrainita Hafa Hanatevin-daharana Azy Ireo
Niantso Bahrainita hafa handray fitaovam-piadiana sy hanatevin-daharana ny tolona manohitra ny fitondrana "tsy refesimandidy",ireo Bahrainita efatra niditra mpikambana tao amin'ny vondrona miaramilan'ny ISIS.
Sary: Mankalaza ny Eid Al-Adha i Gaza
Na dia teo aza ireo Palestiniana maherin'ny 2000 niharam-boina tamin'ny fanafihan'i Israely farany tao Gaza, mbola mahita hevitra hankalazana ny Eid Al-Adha Islamika ihany ny olom-pirenena, izay manomboka androany (4 Oktobra) manerana ny tontolo Miozolomana.
Tokony Hiala Tsiny Noho Ny Habibian'ny ISIS Ve Ny Miozolomana?
Ahitana miozolomana miampanga ny ISIS amin'ny alalan'ny diezy #NotInMyName (tsy amin'ny anarako) ny media sosialy, ny hafa kosa mampiasa ny diezy #MuslimApologies (fialan-tsinin'ny miozolomana) mba hamazivaziana ny fialan-tsiny tokony ataon'ny miozolomana noho ny fihetsiky ny vitsy an'isa (ISIS).
Tsikerain'ny Masedoniana Ny Kabary Tsy Nampoizin'ny Filoha Ivanov Tao Amin'ny Firenena Mikambana
Tsy hitahita sy tsy nandrenesam-peo nandritra ny volana maromaro raha nahitana fifandonana ara-poko tao amin'ny fireneny ny Filoha Masedoniana Gjorge Ivanov. Avy eo, nikabary eo anoloan'ny Vaomieran'ny Filaminana niresahany ny tsy mbola ahatafidiran'ny fireneny ao amin'ny OTAN sy ny ezaka manerantany iadiana amin'ny fampihorohoroana misy amin'izao fotoana izao.