Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2018

Armenia: Mahatsiaro Ny Vono Olona Tao Budapest

Nanamarika ny faha-dimy taona namonoana an'i Gurgen Margarian, 26 taona, manamboninahitra Armeniana nanatrika ny programa Fiarahamiasan'ny OTAN momba ny Fandriampahalemana tany Budapest, Hongria ny andron'ny omaly. Maty novonoin'i Ramil Safarov, Azerbaïdjani nanatrika izany fotoana izany koa, tamin'ny alalan'ny famaky izy raha tao anatin'ny torimaso.

26 Martsa — Mankalaza ny Fanambarana ny Fahaleovantenany I Bangladesh

''Raha mankalaza ny 26 Martsa, Andro nahazoany ny Fahaleovantenany i Bangladesh, tondraka lahatsoratra kosa ny tontolom-bolongana ao Bangladesh mitantara ilay Tetikady Searchlight natomboky ny Tafik'i Pakistana tamin'ny 25 Martsa 1971 tao anatina ezaka mamoy fo mba hanafoanana ny hetsika Nasionalista nataon'ireo Bengali.''

Nanjary Mpitati-baovao Momba Ny Ady Ny Tanoran'i Ghouta Hanasongadinana Ny Fijalian'ny Sivily

"Te-ho mpanao gazety aho mba hampita ny fijalian'ireo tsy manan-tsiny na hianatra shimia mba hanamboatra fanafody ho an'ny vahoaka.." hoy i Noor, 12 taona, monina ao Ghouta Atsinanana

Netizen Report: Noraràn'i Sri Lanka Ao Anatin'ny Herisetra Ara-pinoana Ny Media Sosialy

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.

Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

Ho an'ireo Palestiniana voaraoka tamin'ny taniny,  zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany

Fihetsiketsehana An'arivony Teny An-dalamben'i Kashmir Taorian'ny Namonoan'ny Tafika Indiana Sivily Efatra

Toeram-ponenan'ny olona an'arivony tapitrisa na miampy ireo miafina i #Kashmir. Mbola tsy maty ny fahazarana taloha eo amin'ny Mpitandro ny Filaminana. Tsy mba liana amin'ny zon'olombelona na ny fandraisana andraikitra i India. Tiany ny mifehy an'i Kashmir amin'ny alalan'ny tahotra.

Ao Damaskosy, Mampididoza ny Fanehoam-Piraisankina Amin'i Ghouta Atsinanana Tratran'ny Fahirano

"Tsy misy na inona na inona azonay atao. Manana ny tanjaka ara-miaramila ry zareo miaraka amin-dry zareo. Eny fa na dia ny Firenena Mikambana aza nanaporofo fa tsy mahahetsika ry zareo. Voafandrika ao anatin'ny tsy fahavitanay na inona na inona izahay.."

Zeorzia: Antsafa Niarahana Tamin'I DvOrsky

Tsy vahiny intsony ato amin'ny fizarana lahatsoratra momba an'i Kaokazia ato amin'ny Global Voices i Giga Paitchadze, fantatra kokoa antserasera hoe DvOrsky.

Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux

Hetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana. Miresaka amin'ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux ny Global Voices Online.

Avy ao Angletera Mankao Maraoka ary Gaza

Reda Blog mampifandray ny fahasiahan'ny Printsy Edward amin'ny biby, ny famoretan'ny polisy Maraokana ny mpanao fihetsiketsehana, ary ny daroka baomba tao Gaza: