Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2019
Ny fiavotan-tenan'ireo Kristiana vitsy an'isa lasibatry ny fanafihana ao Yemen
Yemenita niova fo ho Kristiana i "Galileo" telo taona lasa izay. Nosamborina sy nampijaliana izy ary miaina anatin'ny tahotra amin'ny famonoana ny ainy izy ankehitriny .
Nahoana no mbola monina any amin'ny hotely foana ireo Armeniana nifindra monina, 30 taona taorian'ny nandosirany an'i Azerbaijan?
"Nolazaina anay isan-taona fa homena trano izahay amin'ny herintaona."
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Ejipta: Libaney iray any Ejipta – Avy amin'ny Fibodoana mankany amin'ny Fanafahana
Indray andro, nahatsiaro ho afa-baraka izy, ary ny andro taorian'izay, nahatsiaro ho afaka. Izany no tantaran'i Layal El Katib, bilaogera Libaney iray nipetraka tany Ejipta nandritra ny fotoana naharitra, nentin'i Tarek Amr ho antsika.
Iràka: “Soa ihany fa tsy Baomba tanaty Fiara!”
Rehefa avy niala sasatra kely aho, tsy misy tsara mihoatra nóho ny fanomezako ireo mpamaky izay tena tiany ho vakiana -teny avy any an-dalamben'i Bagdad sy Mosul. Ary tsy misy fotoana tsara nóho ity satria niverina nanoratra bilaogy i Chikitita, mizara ny fahitàny an'i Bagdad, nilaozany nandritra ny volana maro.
Nataon'i Trump nanafin-tava tamin'ny tanany avokoa ny tao Afghanistan tamin'ny fananiham-bohitry ny Sovietika tamin'ny taona 1979
"Tafajabaka ao anatiny isika. Fiafaran'ny tantara."
Kenya: Feno Fanantenana ireo Bilaogera amin'ny Fanelanelanan'i Kofi Annan
Vitsy ireo olona nanantena fandrosoana tanatin'ny fifampiraharahana rehefa nanolotra ny rotsankazon'ny fandriampahalemana ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana taloha, Kofi Annan, ny Filoham-pirenen'i Ghana, John Kuffour. Saingy miaraka amin'ny iray volana nanolorantena tsy tapaka, miavao indray ny fahatokisana eo amin'ny hisian'ny fifanarahana maharitra eo amin'ny fandriampahalemana.
Ejypta: Ahoana no ahafahantsika manampy an'i Gaza?
Manao hetsika ireo bilaogera Ejiptiana ho fanohanana an'i Gaza izay niharan'ny fanafihan'ny tafika Israeliana nandritra ny herinandro.
Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra
Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.
Kroasia, Serbia : Sainan'ny fisakaizàna
Mba ho tandindon'ny fampihavanana ny firenena roa tonta dia namorona saina nampitambarana ny an'i Serbia sy Kroatia ny tanora roa avy amin'ireo firenena roa tonta ireo. Marobe ireo Serba sy Kroaty mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra tamin'io vaovao io, ny sasany manameloka, raha ny hafa kosa nankasitraka.