Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2009
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy...
Palestina: Ny fiatrehana ny Ramadany any Gaza
Manoratra momba ny fiatrehan'ny olona ny Ramadany ao Gaza ny mpitoraka bloagy maro, sady manoritroritra koa ny mbola mampitoetra ny fomban-drazana.
Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra
Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa.. Mihetsika an'ity tranga ity ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpampiasa Twitter.