Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2012
Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla
Ny vonomoka feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany. MAro ireo governemanta no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.
Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla
Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.
Yemen: Kamikazy Nanapoaka Baomba Nandritra Ny Famerenana Matso Nataon'ny Miaramila
Olona teo amin’ny 100 teo no namoy ny ainy ary 200 farafahakeliny no naratra nandritra ny fanapoahana baomba nataon'ny kamikazy (olona manao sorona ny tenany) nikendrena miaramila nanao famerenana matso tao Sana'a, Yemen tamin’ny 21 Mey.
Meksika: Fanamelohana Ny Famonoan'olona Tao Cadereyta, Ao Nuevo León
Maneho ny heviny ny mpiserasera manoloana ireo faty olona miisa 49 norasarasaina tao Cadereyta, Nuevo León, akaikin'ny sisintanin'i Etazonia.
Shina, Filipina: Mihenjana Ny Tadin-dokanga Momba Ny Fiandriananm-pirenena Ao Scarborough Shoal
Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.
Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny “International Relations and Security Network” (ISN)
Nifanaiky hiara-hiasa ny Global Voices sy ny International Relations and Security Network (Orinasam-Piarovana sy Fifandraisana Iraisampirenena), mba hampahafantatra ny hevitry ny olona mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerana...
Tonizia: Tsy Firaharahiana Ireo Naratra Nandritra Ny Revolisiona
Tezitra mafy ary naneho ny tsy fahafam-pony ireo toniziana manoloana ny tsy firaharahian’ny governemanta ireo naratra nandritra ny revolisiona. Talohan’ny nanonganana ny filoha Zine El Abidine Ben Ali, olona an-jatony no naratra...