Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2021
Mya Hnin Ye Lwinn, mpilalao sarimihetsika ao Myanmar, manazava ny antony nanjohiany ny mpanohitra
"Tsy misy dikany ny fahasahiranana sedrainay isanandro raha ampitahaina amin'ny an'ireo namoy ny ainy, ireo izay nogadraina na namoy havana."
Tsy raharahaina, tsy ilaina, tsy omena famelàna
Rehefa 8 Novambra, Andro Fankalazana ny Fandresena, andro fialantsasatra vaovao napetraky ny firenena hankalazàna ny fandresen'i Azerbaijana tamin'ilay Ady Faharaoa tao Nagorno-Karabakh, azo sary niravoravo ireo andian'olona tao afovoan'i Baku, nohorakoraka no sady nandoro saina Armeniàna.
Nahariharin'ny Andron'ny seza foana ny manjò ireo mpanao gazety okrainiana nogadraina
Ny nifantohan'ny hetsika Empty Chair [seza foana] tamin'ity taona ity dia i Vladyslav Yesypenko, mpanao gazety mahaleotena notanana am-ponja tsy ara-dalàna tamin'ny fiampangana fitsikilovana noho ny tatitra momba ny zava-misy iainan'i Krimea fehezin'i Rosia.
Didian'ny Fitsarana Iraisampirenena hanao izay tsy hisian'ny fankahalàna ara-poko i Armenia sy Azerbaijàna
Nodidian'ny fitsarana avo ao amin'ny Firenena Mikambana, ny Fitsaràna Iraisampirenena (CIJ), i Armenia sy Azerbaijàna, mba hiasa “ho fisorohana ny fihantsiana sy fampiroboroboana ny fankahalàna foko” taorian'ilay ady naharitra 44 andro tamin'ny taona lasa.
Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan
Lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao ity fioampangana ny filoha teo aloha ho nanao kolikoly ity.
Mampanantena fivoarana i Armenia sy i Azerbaijan tao anatin'ny fihaonan'ireo mpitarika ao Sochi
Naneho hevitra momba ny fihaonana, nilaza ny filoha Rosiana Vladimir Potinina fa nahatratra fifanarahana momba ireo olana lehibe sasantsasany ireo mpitarika ka tsara ny fihaonana amin'ny ankapobeny.