Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Novambra, 2014
Renim-pianakaviana Voalaza Fa Namono Miaramila Talibana10 Nanjary Mahery Fon'ny Firenena
Nitifitra ireo miaramila Talibana ho valifaty tamin'ny nahafatesan'ny zanany lahy ny vehivavy iray ao amin'ny faritr'i Farah, ao Afganistana.
Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17
Niteraka vazivazy tao amin'ny RuNet ny sary zanabolana vaovao voalaza fa mampiseho porofo mivaingana fa tompon'andraikitra tamin'ny fianjeran'ny sidina MH17 Malaysia Airlines i Okraina.
Miaraka Amin'Ireo Trano Sy Fotodrafitrasa Rava, Hiatrika Ririnina Henjana i Gaza
Manao izay azony atao ny mponin'i Gaza amin'ny fiomanana hiatrika ny ririnina taorian'ny ady, izay namela tsy manan-kialofana eo ho eo amin'ny 100.000.
Midina An-Dàlamben'i Mexico Ireo Mpanohitra Hitakiana ny Fihetsehana Manoloana Ireo Mpianatra Tsy Hita Tany Amin'i Ayotzinapa
"Na iza na iza mitana azy dia homeko azy ireo ny taniko ho takalon'ny famerenana ny zanako velona amiko". Olona an'aliny no nanao diabe ho an'ny Andro Eran-tanin'ny Hetsika ho an'i Ayotzinapa.
Fiovaovan'ny Toetrandro, Ebola, Okraina: Tsy Resaka Ara-toekarena Fotsiny No Natao Tamin'ny Fihaonana An-Tampon'Ireo G20 Tany Brisbane
"Hahatsiarovana ny #G20Brisbane ny tsy nahavitan'i Abbott nandresy lahatra ny firenena hafa mba tsy hieritreritra ny #fiovan'nytoetr'andro "
Tsinian'ny Kiorda Ho Ambadiky Ny Fanapoahana Fiara Tao Erbil ireo Arabo Mpialokaloka
Olona dimy farafahakeliny no namoy ny ainy ary 29 naratra tamina fanafihana tamin'ny alalan'ny fanapoahana fiara tamin'ny Alarobia tao Erbil, renivohitry ny faritra mizaka tenan'i Kiordistan Atsimo ao Avaratr'i Irak, araka ny fanamafisan'ny minisiteran'ny Fahasalamana tamin'ny valan-dresaka nataony hoan'ny mpanoratra gazety .
Inona no Tokony Horesahan'ny Mpitondran'Izao Tontolo Izao Mandritra ny Zaikaben'ny G20 ao Brisbane
Nandray ny Zaikaben'ny G20 taona 2014 i Brisbane, Aostralia, tamin'ny 15-16 Novambra. Miady hevitra amin'izay tokony ho laharam-pahamehana ao anatin'ny fandaharam-potoana ny mpiserasera.
GV Face: Mitady Ny Rariny Hoan'ireo Mpianatry #Ayotzinapa Nanjavona Tao Meksika
Amin'ity lahatsary hangout ity, miresaka momba izany sy ny fizarazarana eo amin'ny tontolon'ny politika sy ny sosialy ao Meksika ny ekipan'ny Global Voices ao Meksika.
Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé
Misavoritaka ny ao Burkina Faso taorian'ny revolisiona niteraka ny fandroahana an'i Compaoré.
Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso
Mifototra amin'ireo atrikasa niarahany tamin'ireo tanora mpitsoa-ponenana avy any Birmania, manomana famoahana boky iray hamondronany ireo taokanto nataon'ny ankizy nandritry ny seminera nataony ilay Amerikana mpanoratra, Erika Berg .