Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2014
Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka
Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fisosososon'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.
Sary 9 Avy Ao Kyrgyzstan, Maneho Ny Zava-misy, Manambara Adin'ny Rano Ao Azia Afovoany
Amin'ny taona 2030, eo ho eo amin'ny antsasaky ny mponina eto an-tany no hiaina amin'ny faritra “tsy ampy rano,”
Notazonin'ny Manampahefana Tajik Ilay Mpanoratry ny Global Voices
Notanan'ireo manampahefana ao Khorog, any Tajikistan ny mpamokatra lahatsoratra taloha ho an'n Global Voices ao Azia Afovoany , Alexander Sodiqov, raha nanao fikarohana ho an'ny fivoahany "doctorat" izy. Tsy mbola fantatra ankehitriny ny mombamomba ny nanjo azy.
‘Sambatra’ Any Thailandy? Ny Fomba Mbola Hanafoanan'ny Fitondrana Mpanongam-Panjakana Ny Demokrasia
Voasivana ny haino aman-jery, mahamay ny Facebook ary na dia ny fiarahabana amin'ny fomban'ny Hunger Game aza dia voarara. Tena "sambatra" ve ny vahoaka Thai eo ambanin'ny fitondrana miaramila?
Nahoana No Faly Amin'ny Fialàn'ny Governoran'i Michoacán Ny Olona Sasany
Nanambara ny governoran'i Michoacan, Firenena Meksikana fa hametra-pialàna noho ny antony ara-pahasalamana
Lehilahy Syriana Namadika Ireo Fitaovam-piadiana Ho Zava-kanto
Mamadika basy aman-tafondro ho zava-kanto. Izany no asan'ilay mpanakanto monina ao Douma, Akram Abu al-Fawz, izay manangona ireo balafomanga sy rokety ary mamadika izany ho zava-kanto sy haingo maro isan-karazany.
Eoropa : Mampahery Ny Rosiana Ny Fandresen'ny Hery Ankavanana
Raha toa ka mampitaintaina ny sasany ao amin'ny firaisambe Eoropeana io fiovana io, betsaka ny Rosiana no nandray izany samboaravoara ao amin'ny fisarahan'ny Eoropeana izany ho toy ny fanamarinana ny fihetsika manohitra ny Firaisambe Eoropeana ataon'i Maosko.
Baikon'ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra Ny Mpamatsy Aterineto Hamono Ny Aterineto Amin'ny Faritany Dimy
Mampiseho ny antontan-taratasy tafaporitsaka avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra fa nanapa-kevitra hanakatona ny aterineto any amin'ny faritany sasany, sy media sosialy any amin'ny faritra hafa ny governemanta.
I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto
Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina)
Nosokafana Indray Ny Media Sosialy Ao Iràka, Fa Mety Hisy Ve Ny Ratsiratsy Kokoa?
"Jerena ho nesorina amin'izao fotoana izao ao Iràka ny fanakanana ny tambajotran-tserasera, ny atahorana dia ny fahavononan'ny governemanta hanapaka ny aterineto!," hoy ny siokan'i Mohamed Najem.