· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2009

Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

30 Aogositra 2009

Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?

Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny...

20 Aogositra 2009

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

14 Aogositra 2009

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.

04 Aogositra 2009