Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2019
‘Kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota': Namoizana ain'olona roa ny tifitra tao amin'ny toerana fisotroana kafe any Filipina
"Tsy mbola fantatra mazava ny antsipiriany feno, saingy ny hany fantatra dia ny hoe nanosika ireo mpamono olona hirehareha amin'ny basiny ampahibemaso ary hitifitra olona io kolontsain'ny famonoana olona sy ny tsimatimanota io."
Mety hampidi-doza ireo mpitati-baovao ny didim-panjakan'i Bolsonaro manome fahafahana hitazona basy, hoy ny fikambanan'ny mpanao gazety
Fotoana fohy talohan'ny nanolorany ny filatsahany ho fidiana filoham-pirenena, nanao basy tamin'ny rantsantanany ny fihetsik'i Jair Bolsonaro. Iray tamin'ireo fampanantenany lehibe ny fanalàna ny lalàna henjana momba ny fifehezana ny basy ao Brezila, Nanasonia didim-panjakana hanamora ny fananan'ny sivily basy izy.
Afovoany – Atsinanana : Isiraely sy ny Fampiasana Fôsfôra Fotsy ao Gaza
Nihorohoro ireo mpijery fahitalavitra manerantany nahta ireo sary mampihoronkoditry ny niharan-doza tao Gaza - ny sasantsasany tamin'izy ireo dia nanjary ratsy endrika efa mila tsy ho fantatra intsony. Miantso an'i Isiraely ny ONG iraisam-pirenena mpiaro zon'olombelona Human Rights Watch, mba hamarana ny fampiasana tsy ara-dalàna fôsfôra fotsyamin'ny adiny amin'i Gazà.
Ejipte-Gaza : Rafah, lafy ejiptiàna
Mijere ao ivelany. MITSIKY AMINAO ny F-16. Mandihy ho anao ireo BALAFOMANGA. Mihira ho anao ZANNANA, satria samy nasaiko DAHOLO ry zareo mba hirary * TAONA VAOVAO IRAY SAMBATRA ho anao
Misy fampiasa ao amin'ny Facebook ampiasain'ny Junta ao Thailand hanangonana adiresy imailaka

Asehon'ny ampamoaka iray vaovao hoe hatraiza ny fahavononan'ny governemanta Thai hanova ny aterineto — tafiditra amin'izany ny media sosialy — mba ho amin'ny ilàny azy.
Syria: Mandefa ireo fanampiana any Gaza ny Vokovoko Mena (Volantsinana Mena)
Nitatitra momba ny ezaky ny vokovoko mena Syriana Arabo amin'ny fandefasana fanampiana any Gaza ny Syria News Wire androany. Nahomby tamin'ny fandefasana kamiao 11 ahitana fanafody sy sakafo milanja 230 taonina any Gaza ity vondrona mpanao asa soa ity, izay mpikambana ao amin'ny Komity Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena.