Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2009
India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina
Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy...
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika...
Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry
Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny...
Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya
Nisy namono tamin'ny 7 Okt.2006 i Anna Politkovskay. Amin'ny Alarobia, hivondrona ireo olona any Moscou mba ho fahatsiaroana azy sy ireo mpanao gazety sy mafana fo hafa maty. Na izany aza, tsy dia faly loatra ireo mpitoraka blaogy sasany eo am-piresahana momba izany hetsika ho avy izany.
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
Nirongatra ny fahatezerana sy ireo mpanao fihetsiketsehana noho ny fandraisan'ny governemanta Libaney fanapahan-kevitra hampiato ny fanamboarana tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana, Nahr el Bared. Mampiseho ny tsy fahafaliany ao amin'ity lahatsoratra avy amin'i Antoun Issa ity ireo mpitoraka blaogy.