Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2022
Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka
Olona an'aliny no nidina an-dalambe tao an-drenivohitra Zeorziana, Tbilisi mba hanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina.
Tsy andrenesana feo momba ny olana ao Okraina i Azerbaijàna, mitsidika an'i Maosko ny Filoha Aliyev
Raha ny ankamaroan'ireo firenena tandrefana manameloka ny fanapahankevitr'i Poutine hankatoa ny fahaleovantenan'ireo faritra roa nisintaka tamin'i Okraina, ny governemanta mitondra ny ao Azerbaikàna kosa tsy andrenesana feo
Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna
Raha miroso amin'ny fampodiana ireo gadra ny andaniny sy ny ankilany, ao anatin'ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina tamin'ny 9 Novambra 2020, mbola tsy hay hatrany izay tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaidjàna.
Nomelohin'ny Fitsarana ao Krimea bodoin'i Rosia higadra enin-taona an-tranomaizina ilay mpanao gazety mahaleotena
Notazonina tao Crimea i Vladyslav Yesypenko tamin'ny volana Marsa 2021 noho ny fiahiahiana azy ho nanangona vaovao ho an'ny fitsikilovana Okrainiana, fiampangana nolavin'ilay mpanao gazety. Voalaza fa niaritra fampijaliana izy raha tany am-ponja.
Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila
"Tsy nifampidinihan-dry zareo ny olona manao vivery ny ainy amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'ny Telenor ny ainy."
Azerbaijan: Lehilahy iray nosamborina noho ny tsy fanajana sainam-pirenena
Ity angamba no tranga voalohany nahitana fanoherana mahery vaika avy amin’ny vahoaka mikasika ny olona tsy manaja ny sainam-pirenena vahiny tao Azerbaijan.
Kosovo taona 1999 sy Rosia 2021: Mampirongatra propagandy mampidi-doza ny fironana hanamboatra sary miova tokotanin-tsehatra na ‘cheapfake’
"Zava-dehibe ny mampahafantatra ny fielezan'ny fikirakirana sary novaina tokotanin-tsehatra sy ny fanekena fa mampiasa io fomba fanao io ny governemanta sasany mba hitarika fanovana ny hevi-bahoaka."
Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar
“Nandà tsy hamela ny tenan'izy ireo ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy”.