Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2022
Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia
Taorian’ny fihaonana tany Moskoa, nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina amin’ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.
Nilaza fa nijirika ny rafitra lalamby ireo mpikatroka anjotra Belarosiana mba hanoherana ny hetsiky ny miaramila Rosiana
Nilaza ny vondrona mpijirika fa vonona ny hanolotra ny fanalahidin'ny fanafenana izy raha toa ka avotsotra ireo gadra politika Belarosiana 50 izay miharatsy ny fahasalamany ary "sakanana" ny fisian'ny tafika Rosiana ao amin'ny firenena.
Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar
"Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao maika ampiasain’ny fitondrana miaramila."
Afa-po tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana alemà ilay tompon'andraikitra tao amin'ny sampa-pitsikilovana teo aloha ireo Syriana tafita velona tamin'ny fampijaliana
Meloka tamin’ny famonoan’olona miisa 30 mahery i Raslan, sy tamin’ny fampijaliana olona an'arivony teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012, fony izy lehiben’ny fanadihadiana tao amin'ny fonja iray malaza ratsy.
Nomen'ny Indiana anarana mampihomehy ireo toerana any Shina rehefa nanome anarana vaovao tamin'ny toerana 15 ao Arunachal Pradesh i Shina
Noho ny fanomezan'i Shina anaram-baovao ny toerana miisa 15 any amin'ny fanjakana avaratra atsinanana Arunachal Pradesh dia namaly tao amin'ny Twitter tamin'ny fanomezana anaran-toerana indiana ireo tanàna shinoa ny Indiana.