Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2012
Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi
Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.
Libya: Azafady Ry Chris, Tsy Naharo Anao i Benghazi
Andian'olona Libyana vitsy no nivory teo amin'ny kianja Al Shajara ao Benghazi ny andron'ny 12 Septambra 2012ho fanoherana ny fanafihana tao amin'ny Kaonsilàn'i Etazonia. Amerikana efatra, ka ao anatin'izany ny Ambasadora...
Madagasikara: Fifamonoana Eo amin'ny Tantsaha Sy Ny Dahalo Any Atsimo
Raha tsy mivaha velively izao fiokoana any Atsimo izao, mety hahita ny fiitatry ny afy isika aoriana ao ka mety hivandravandra amintsika ny toe-javatra tahaka ny fivakisana mitranga any Mali....
Libanona: Ny Fizahan-Tany No Mandoa Be
Ny korontana politika vao haingana tany an-toerana sy ny fakàna olona an-keriny any Libanona no mampandositra ny mpizaha tany, indrindra ireo avy any Golfa. Naneho hevitra ny amin'ny fivoaran-draharaha ireo mpiserasera amin'ny aterineto
Yemen: Hatezerana Noho Ireo Sivily 13 Matin'ny Fanafihana ‘Drone’ Amerikana
Fanafihan'ny 'drone' Amerikana iray hafa indray no niantraika tamin'i Yemen tamin'ny Alahady, tao Al-Baydha, nikendrena ireo mpitolona efa "noahiahiana" toy ny mahazatra. Ao anatin'izay efa lasa fahazarana ankehitriny, tsy voa izay nokinendry ary araka ny tatitra avy any an-toerana dia sivily 13, ahitàna vehivavy telo no maty.. Mitodika amin'ny Twitter ireo Yemenita mpikirakira aterineto maneho ny hatezeran-dry zareo
Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !
Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao 'paralympiques' ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo. Tantara miavaka amin'ny mahazatra no zarain'i Anna Guèye.
Mali: Azo Sakanana Ve Ny AQMI?
Tahaka ny manjavona miaraka amin'ny fotoana mandeha ny vahaolana ho an'ny fifandirana ao Mali. Efa ho dimy volana izao no nisaraka ho roa io firenena io. Mitrandraka ny toe-draharaha marina ao Sahel i Julie Owono.