Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2023
Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel
Toa manamora ny firongatry ny vondrona jihadista ao Sahel ny fanonganam-panjakana misesy, arahin'ny fialan'ny tafika iraisam-pirenena.
Okraina : miatrika fanamby goavambe, na izany aza dia mbola feno toky ireo mponina ao amin'ny iray amin'ireo tanàna tena rotidrotiky ny ady
Amin'ny lafiny maro, tsy ijerena fotoana na izay fomba hifaranan'ny fananihambohitra ao Okraina, tsy hahita fitsaharana mahafaly avy hatrany akory ireo vohitra sy tanàna toa an'i Izioum.
Miezaka manangana ny tanànan'ny ho avy any amin'ny faritany Rosiana ny tanora, raha mitady ny lasa kosa ny mponina
Niverina tany Chaykovsky, tanàna kely any Rosia ny mpanakanto ary nanangana foibe ara-kolontsaina ho an'ny daholobe tao. Miatrika fanoherana avy amin’ny tompon’andraikitra sy tsy fahampian’ny fifankahazoana eo amin’ny mponina any an-toerana izy ireo ankehitriny.
Ao Azia Afovoany, ho firaisankina amin'i Okraina dia nofoanana ireo kaonseritra saika hataona Rosiana olo-malaza mpankasitraka ny ady
Mifanohitra amin'ny an'ireo governemanta ao Azia Afovoany, izay manjavozavo ankehitriny ny toerana raisiny, naneho mazava ny fijoroana pôlitikany ireo olom-pirenena tsotra ao amin'ny faritra, tamin'ny nanehoany ny firaisankinany amin'i Okraina
Fitsikerana ny zavakanto Rosiàna : “Tsy azo vonoina na potehana ny zavakanto an-dalambe”
Hatramin'ny niantombohan'ny ady, dia mbola olana ny satan'i Yekaterinburg, renivohitry ny zavakanto an-dalambe Rosiàna : niala an'i Rosia ireo mpanakanto sasany, raha ireo hafa kosa nogadraina noho ny asany manohitra ny ady.