Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2014
Syria: “Roa Taona Aty Aoriana, Mbola Tsy Milamina Izahay “
Asehon'ilay Syriana Hiba Diewati ao amin'ny lahatsoratra tsy maintsy vakiana ao amin'ny Facebook ny toe-draharaha ao amin'ny fireneny amin'ny tsingerin-taona fahatelon'ny fitakiana fiovàna Syriana.
Manangana Ny Maty Hiadiana Amin'i Okraina
Ny fehin-kevitr'i Sokoloff tamin'ny fahitana an'i Lobov, ilay lehilahy nivoaka tamin'ny retiretiny, manao fanamiana nandritra ny fioriana tao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana, dia midika zavatra tokana ihany
Tsy Nisy Hoe Palestina a?
Nanao fanamby tamin'ilay kabary iraisan'ny Israeliana milaza fa tsy nisy velively i Palestina ireo mpampiasa Twitter, tamin'ny alàlan'ny tenifototra : #there_was_no_Palestine (tsy_nisy_i_Palestina).
Nohamorain'i Etazonia Indray Ny Fanaovan'i Kremlin Propagandy
Eritrereto fotsiny hoe i Rosia nanavao sekoly eo akaikin'ny fatin'ny "Marine" Amerikana ao Okinawa.
Lian-Drà Ireo Rosiana Mpanara-damaodin'ny Aterineto
Fampitandremana momba ny loza ateraky ny fanavaozana tsy am-pisainana ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook, na koa momba ny loza mitatao mihamitombo tamin'ny nanakatonana tsy amin'ny antony ny RuNet.
Nizeria : Miha-Mahery Vaika Ny Famonoana Ataon'ny Jihadista Boko Haram
Herinandro vitsy lasa izay, naka ankeriny mpianatra ankizivavy 100 ary noahiahiana ho tao ambadik'ilay baomba nipoaka nahafaty olona 70 mahery teo amin'ny fiandrasana fiara fitaterana ny vondrona jihadista Islamika.
Ray Syriana Iray Miantso Ny Raharaham-bahiny Britanika Hampihaona Ny Zananilahy Aminy
Niditra Twitter i Wael Zain, Syriana monina sy miasa ao London mba hisarika ny saina manoloana ny mahazo ny zananilahy dimy taona, Maudh, izay mizaka ny zom-pirenena britanika ary tafahitsoka ao Syria nandritra ny telo taona.
Lesoka Nataon'i Etazonia Momba an'i Okraina
Mety vao miandoha ny herisetra, fa efa nahery vaika am-bolana maro izay ny adim-baovao eo amin'i Rosia sy ny Tandrefana.
SARIPIKA: Fametrahana Afisy Goavambe Ao Pakistana Lasibatry Ny Drôna Amerikana
Ny hanomezana endrika maha-olombelona hoan'ireo sivily lasibatra tamin'ny daroka drôna Amerikana no tanjon'ity fisantaran'andraikitra ity
Ny Tambohoben'i Berlin Ho Anay Ao Siria
"Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa" dia bilaogy tantanan'ireo Siriana nahazo vatsim-pianarana, izay mizara ny alahelony ny tany niaviany, ny fanantenany, ny fisalasalàny, ny ahiahiny, ny fahatokiany ary ny fanirian-dry zareo hisian'ny Siria mendrika kokoa.