· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2019

Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera

  30 Avrily 2019

Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.

Nihantsy ny fampahalalam-baovao tsy miankina ny fampahalalam-baovaom-panjakana Rosiana noho ny fampiasana teny ‘tsy mitanila’ amin'ny tati-baovao momba ny ady amin'ny mpampihorohoro

Nandrehitra ny adihevitra momba ny fiteny "tsy maha-olombelona" tamin'ny tati-baovao momba ny fampihorohoroana ny siokan'ny RT. Niaro ny fanapahan-kevitry ny RT ireo mpomba ny fanjakana amin'ny fampiasana ny teny toy ny hoe "nofongorina" sy ny tsikerany tatỳ aoriana tamin'ny gazety izay tsy mampiasa izany.

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.