Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin

 

Anuradha Bhasin, Executive Editor of the newspaper Kashmir Times. Screenshopt from YouTube video by VideoVolunteers.

Anuradha Bhasin, toniandahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Kashmir Times. Pikantsarin'ny VideoVolunteers tao amin'ny horonantsary YouTube.

Niseho voalohany tao amin'ny Video Volunteers, fikambanana iraisam-pirenena nahazo loka tamin'ny fampahalalam-baovaom-piarahamonina tao India ity lahatsoratra ity. Navoaka eto ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tamin'ny resadresaka nalefa ny 11 Febroary, niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin, mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir.

Tamin'ny 5 Aogositra 2019, nanafoana ny andininy faha-370 amin'ny lalàmpanorenan'i India izay manome ny sata fizakan-tena manokana ho an'ny fanjakana ifandirana Jammu sy Kashmir ny governemanta ao India, notarihan'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP). Mpitondra politika an-jatony no niharan'ny tsy fahafahana mivoaka ny trano, ary naato ny fidirana amin'ny tambajotra finday, ny laharana an-tariby ary ny tambajotra aterineto. Nasiana sakana teny an-dalambe satria nampiharina ny famerana mivezivezy ary notanana izay rehetra nanao fihetsiketsehana.

Vakio ny fitantarana manokana: Inside Kashmir's crisis

Ato amin'ity antsafa ity, niresaka (amin'ny teny anglisy) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety nandritra ny taompolo 90 i Bhasin, rehefa nanomboka ny fitolomana manohitra ny fitondrana Indiana tao amin'ny lohasaha, sy ny zava-misy ankehitriny izay nanilihana ny andininy faha-370 sy ny fanesoran'ny governemanta ny fanakanana ny aterineto 4G rehefa afaka efa ho 18 volana.

Niasa tamin'ny iray amin'ireo gazety tranainy indrindra ao Jammu sy Kashmir i Anuradha Bhasin. Mpanohana matanjaka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izy ary nalaza tamin'ny vaovao noho ny fitsikerany ny governemantan'i Modi. Nangataka tamin'ny Fitsarana Tampony izy ny hanafoanana ny famerana ny serasera izay napetraka taorian'ny fanafoanana ny andininy faha-370 tao Jammu sy Kashmir. Noho ny fangatahana nataony no namerenan'ny  Governemantan'i India tamin'ny laoniny ny tolotra aterineto 2G tao amin'ny faritra mihidy ao Kashmir.

“Nijanona tsy namoaka vaovao manakiana ny governemanta ny gazety eo an-toerana,” hoy i Bhasin raha niresaka momba ny fanaraha-maso sy ny fandrahonana ny mpanao gazety avy amin'ny fitondrana izy. Nampatsiahy ny mpanao gazety momba ny andraikitr'izy ireo amin'ny maha-feon'ny vahoaka azy izy, indrindra ireo izay iharan'ny tsindry sy voahilikilika.

Nifantoka ihany koa tamin'ny politika vaovaon'ny fampitam-baovao noforonina tao Kashmir  ny antsafa izay toa hita fa natao hanoherana ny fiparitahan'ny fandisoam-baovao na ny vaovao faikany. “Rehefa manomboka manaparitaka vaovao faikany ny fantsom-pahitalavitra dia tsy misy fepetra raisina amin'izy ireo satria manohana ny governemanta mpitondra ny sasany amin'ireo zava-mitranga  ireo,” hoy i Bhasin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.