Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2018

26 Jona 2018

Nepal: Resaka Hafa Indray

Miketrika fifanarahana fandriampahalemana vavao indray ny fiarahan'ireo antoko fito sy ry zareo Maoista. Niharan'ny tifitra avy amin'ny ankolafy maro isankarazany ilay fifanarahana farany nisy teboka valo vitan-dry zareo.

Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !

Nifidy fanindroany ny ho solombavambahoaka teo amin'ny tantara vaovaony i Bahrain . Manodidina ny 300.000 ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato. Isan'izany ilay mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena ....... ny 'antokony'. Fa ankoatra izany ireo tranga hafa miseho eo amin'ny firenena, samy tantarain'ny mpitoraka bilaogy avokoa ireny.

23 Jona 2018

Mpanao diaben'ny fandriampahalemana avy ao Helmand mikasa hamadika ny pejin'ny tantaran'i Afghanistan

"Fotoam-pifaliana sy fanasitranana ho ahy sy neny ny nahita azy ireo."

21 Jona 2018

Ny Kiakiak'i Gaza Manako Anaty Tontolo Iray Mangina

'Fantatro teo amin'ny sary fa iray tamin'ireo ankizy nijery ahy nanao hosodoko ny andro talohan'io izy. Nanontany ahy izy raha nahita olona aho, tsia hoy aho, ary avy eo lasa izy. Maty izy ankehitriny .''

20 Jona 2018

Lahatsary Mampiharihary ny Mombamomba Ny Ankizy Miaramila

Zon'olombelona an-tsary

Nanao fikarohana mombanà lahatsoratra kasaiko ho avoaka mahakasika ny ankizy miaramila aho, no nahita lahatsary tao amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary, izay voalaza fa fanadihadiana natao taminà adolantsento efa ankizy miaramila taloha.

Tantara nomerika mitantara ny herisetra nihatra tamin'ny Shinoa nandritra ny fitroarana tamin'ny taona 1998 tao Indonezia

20 taona lasa izay, zara raha fantatra ny taona 1998. Misy zavatra maro tokony hatao amin'ny fanasitranana, mba hahazoana karazana rariny. Tsy miresaka momba ny fanasitranana amin'ny ambaratongan'ny tsirairay manokana ihany aho, fa amin'ny maha-firenena mihitsy.

19 Jona 2018

Ireo Feo Avy Any Azia Atsimo

Famintinana fohifohy mikasika ireo zava-nitranga tao Azia Atsimo (2006).

Naniry Ny Hampiray Ireo Firenena Roa i Sabika Sheikh, Ilay Mpianatra Pakistaney Maty Tamin'ny Fitifirana Tany Amin'ny Sekoly Amerikana

..hoy izy...'tia hianatra ny kolontsaina amerikana aho ary tiako i Amerikà mba hianatra ny momba ny kolontsain'i Pakistàna ary mba tiako isika raha hiray hina sy hiaraka.' hoy ny tsiaron'ilay reny nampiantrano azy

18 Jona 2018

India: Namely an'i Pune ny asa fampihorohoroana

Tamin'ny 7 sasany hariva tamin'ny Asabotsy 13 Febroary 2010, nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisakafoanana malaza feno mpizahatany any Pune, tanàna andrefan'i India, ka nahafatesana olona 9 sy naratra 57. Tao anaty kitapo ilay baomba ary nipoaka rehefa niezaka nijery ity entana tavela ity ny mpampandroso sakafo.