Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2013
Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano
Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.
Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”
Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali. Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka Raha ny marina, dia...
Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo
Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana,...
Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín
Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny...
Mifanome Tànana Ny Fisavoritahana Sy Ny Horohoro Ao Guinée-Bissau
Raha mbola mifantoka any amin'ny faritra iray hafa amin'i Afrika Andrefana ny sain'izao tontolo izao, ny olom-pirenen'i Guinée-Bissau, firenena kely iray mikorontana kosa, dia mitolona hitondra ny zava-misy momba ny zon'olombelona ho ao an-tsain'ny any amin'ny faritra sy ny iraisam-pirenena. Namoaka tatitra iray mavesa-danja [pdf] ny Ligy Gineana momba ny Zon'olombelona, mikasika ny zava-misy ankehitriny momba ny zon'olombelona, tena dobok'amponga gavana ho an'ireo izay mihevitra ny fahanginana misy dia midika fa mandeha tsara ny zavatra rehetra ao amin'ilay firenena
Côte d'Ivoire : Voampanga Ho Nanao Heloka An'Ady i Charles Blé Goudé
Taorian'ny fisamborana azy tany Ganà, Charles Blé Goudé, ilay antsoina hoe ny jeneralin'ny làlambe sady havana akaikin'ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo, dia voaheloka tamin'ny 21 Janoary noho ny heloka an'ady vitany. Nampikoriana ranomainty ( na "kilo-octets" no marimarina kokoa) tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoarianina io fisamborana azy io satria tao anatin'ny fotoana fanandratana ny fampihavanam-pirenena any Côte d'Ivoire no nisehoany.
“Tsy Vitanay Irery io”, Nangataka Ny Firotsahan'i Etazonia An-tsehatra Any Mali Ny Ben'ny Tanàna Iray
Nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny firotsahan'i Etazonia an-tsehatra any Mali tao anatin'ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny NY Times i Oumou Sall Seck, ben'ny tanànan'i Goundam, ao avaratr'i Mali.
Ny Fandresen'ny Tsimatimanota Manoloana Ny Fanjakana Tan-dalàna Ao Ginea
Fisamborana sy fitazonana tsy ara-dalàna, fampijaliana, fitsarana tsy mandeha amin'ny fahamarinana, izany no hita taratra teo amin'ny tantaran'i Guinée. Noraisin'ny Fikambanana maro samihafa tao Guinée an-tanana ny resaka tsimatimanota izay anjakan'ireo mpitondra voaheloka tamin'ireo heloka bevava.
Krizin'ny Ankizy Ao Syria: Ahoana Ny Fomba Hanampianao
Vokatry ny Ady teo amin'ireo ankizy Syriana: Ankizy Syriana tombanana eo ho eo amin'ny 4.355 eo no namoy ny ainy (hatramin'ny 15/1/2013) ao anatin'izao ady ao Syria izao, araka ny...
Repoblika Centrafrique: Tahaka ny Ahoana ny Tanjak'ilay Dinam-Pandriampahalemana?
Nanasonia dinam-pandriampahalemana vaovao tamin'ny 11 Janoary 2013 ny Repoblika Afrika Afovoany (CAR), tarihin'ny filoha François Bozizé sy ny mandatehezan'ny mpioko Séléka. Vita izao fifanarahana izao taorian'ny iray volan'ny fikorontanana ara-miaramila [mg] sy ara-politika nahitana...